♦ Manome lanja ny mpiasa misehatra amin'ny asa sôsialy, ny fitondram-panjakana. Fanambarana nataon'ny Minisitra Razakaboana Hanitra, nandritra ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Asa Sôsialy sy ny faha-20 taonan'ny FPT SD, teny Analakely... ♦ Mbola nisy tamin'ireo mpiasan'ny SMA no nanohy ny fitakiana androany. Tsy afa-po tamin'ny karama noraisiny izy ireo... ♦ Nandray ny asany androany ny Tale Jeneralin'ny Fambolena sy ny Fiompiana, Anondraka Michel, ao amin'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana...
♦ Samy nanangana Vovonana ireo mpomba sy ny mpanohitra ny fitondràna, hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey. Arahin'ny maro ny mety ho fifandanjan-kery eo amin'ny roa tonta amin'izany... ♦ Kasaina homena ampiasain'ireo mpanao asa tanana ireo hazo sarobidy nogiazana eto Madagasikara. Hojerena ny fomba afahana manao izany hoy ny Ministry ny Fizahan-tany sy ny Asa-tanana... ♦ Tsapan'ny mponina any amin'ny Faritr'i Menaba ny fiverenan'ny fandriam-pahalemana taorian'ny nanendrena ny Kôlônely Faneva hiasa any an-toerana. Iray volana izao no nitarika ny fampandrian-tany any an-toerana izy... ♦ Voatifitry ny tafika israeliana ny laharana fahatelo eo anivon'ny vondrona Hamas, Marwan Issa...
♦ Handrotsaka kandidà tokana ireo mpomba ny fitondràna hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao. Nampahafantarina omaly hariva ny Vovonana Isika Rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina... ♦ Nisy tamin'ireo mpiasan'ny SMA, mandraoka fako ao an-drenivohitra no nindaosin'ny fahafatesana, noho ny olan'ny tsy fandraisana karama. Mbola nanohy ny fitokonana teny Nanisàna ny sasany tamin'izy ireo omaly... ♦ Hiatrika lalao iraisam-pirenena roa ny Barean'i Madagasikara ny faran'ny herinandro izao. Efa manomboka tonga eto an-tanindrazana ireo mpilalao mpila ravinahitra nantsoina hanatevina ny ekipam-pirenena... ♦ Nilaza ny fitondràna israeliana omaly fa nahalavo mpiadin'ny Hamas miisa 20...
♦ Mbola nisy tamin'ireo mpiasan'ny SMA androany, no nanohy ny fitakiana teny Nanisana. Miandry fatratra ny rahampitso izy ireo, fotoana voalazan'ny tompon'andraikitry ny Kaominina fa handoavana ny karama... ♦ Isan'ireo mpanara-maso iraisam-pirenena tamin'ny fifidianana natao tany Rosia ny CENI avy eto Madagasikara. Nisolo tena, ny Mpampaka-teny voalohany sy ny Tonia Mpanatanteraka... ♦ Manomboka ho lany tamingana ireo hazo fampiasa amin'ny fitsaboana nentim-paharazana eto Madagasikara, hoy ny ANTM...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco