♦ Nankalaza ny Andro maneran-tany ho an'ny Zon'ny Mpanjifa isika teto Madagasikara androany. Lohahevitra tamin'izany ny hoe: Faharanitan-tsaina artifisialy sahaza sy tompon'andraikitra... ♦ Hampirisihana ny Malagasy hanao fizahan-tany anatiny, no anton'ilay tsenaben'ny fizahan-tany andiany faha-8, nanomboka androany eny amin'ny zaridaina Antaninarenina... ♦ Nandray ny delegasiôna avy amin'ny Sampandraharan'ny Firenena Mikambana misahana ny fanohanana ny tetikasa, na ny UNOPS, sy ny Banky Iraisam-pirenena, ny Filoha Andry Rajoelina androany...

♦ Mbola manjavozavo ny fanendrena izay ho solontenan'ny fiarahamonim-pirenena ao amin'ny HCDDED... ♦ Hiroso amin'ny ady amin'ny fanafoanana tanteraka ny fampiasa merkiora eo amin'ny sehatry ny fitrandrahana volamena madinika, amin'ny alalan'ny tetikasa Planet Gold Madagascar, ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana... ♦ Iray vola tao aorian'ny tranga fakana an-keriny miisa telo tany Tsaratanana, mbola misy 6 ireo olona tsy navotsotr'ireo mpaka an-keriny hatramin'izao...

♦ Nitraotra vokatry ny fahatapahan'ny herinaratry ny JIRAMA, ireo mpanjifa ao Toamasina. Efa tonga any an-toerana ny solika mavesatra 62.000 litatra, hoy ny Minisiteran'ny Angovo... ♦ Hisy fiantraikany ara-bola eny amin'ny Antenimieram-pirenena, ny fitombon'ny isan'ireo Solombavam-bahoaka ho 163, hoy ny Kestora voalohany eny Tsimabazaza... ♦ Tafakatra ho 6.200 Ar ny iray kilao amin'ny siramamy, hanaza izay fiakaram-bidy izay ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH...

♦ Rariny ny fitombon'ny isan'ireo Solombavam-bahoaka, raha hoarina amin'ny isan'ny mponina amin'izao, hoy ny KMF/CNOE... ♦ Nampikaikaika ny mpanjifa ny fiakaran'ny vidin'ny siramamy hatrany amin'ny 6.200 Ariary isan-kilao. Ny fiakaran'ny haban-tseranana 32% no anisan'ny anton'izany, hoy ny fikambanana PMH... ♦ Naneho ny alahelony amin'ny tsy fisian'ny herinaratry ny JIRAMA ao Toamasina, ny Solombavam-bahoka Rolland Ratsiraka, androany. Efa tena fanaovana ho tsinontsinona ny vahoaka izany, hoy izy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...