♦ Mitohy hatramin'ny faran'ny volana mey izao ny fanoratan'ny olom-pirenena ny anarany anatin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Miantso an'ireo izay mbola tsy nahavita izany ny CENI mba hanatona ny eny anivon'ny Fokontany misy azy... ♦ Miandrandra fifidianana madio sy milamina ny olom-pirenena hoy ny KMFCnoe. Miantso ny mpiasam-panjakàna tsy hiandany amin'ny kandidà mirotsaka amin'ny fifidianana izy ireo... ♦ Naneho ny ahiahiny manoloana ny toe-java-misy ankehitriny amin'ny mety ho sakana amin'ny fahalalahana maneho hevitra ireo mpanao gazety nifanakalo traik'efa tamin'ny Sampana Anarahamaso ny Fifidianana Safidy...

♦ Mitaky ampamoaka amin'ireo tsy nahatana ny fampanantenana nataony nandritra ny fampielezan-kevitra, ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabeazana Olompirenena... ♦ Mbola mampiato ny asany ireo "Vacataires" eny amin'ny Polytechnique Vontovorona miisa 150, izay misahana ny 64%-n'ny asa fampianarana... ♦ Andrasana rahampitso, eny Tsimbazaza, ny fankatoavana ilay volavolan-dalàna mifehy ny harena ankibon'ny tany...

♦ Isan'ny firenena afaka misitraka ilay Tahiry FFRD avy amin'ny FMI i Madagasikara. Tahiry ahafahana miatrika ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny hampaharitra izany fahafahana miatrika izany... ♦ Ny fitantanana, ny filaminana, ary ny fitoniana na ilay Tetik'asa GPS, ireo no dinihin'ireo fiaraha-monim-pirenena, avy amin'ny firenena miisa 04 ao amin'ny COI, anatin'ny atrik'asa mikasika ny "Fisorohana ny Krizy" izay tanterahina eto Madagasikara nanomboka omaly, ary aharitra 04 andro... ♦ Hiverina hiasa ny zotra an-dalamby TCE mampitohy an'i Moramanga sy Toamasina, manomboka amin'ny voalohan'ny volana jona izao, araka ny vaovao navoakan'ny ministeran'ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr'andro...

♦ Tsy marina ny filazana fa manaiky hiroso amin'ny tetezamita ny fitondrana ankehitriny hoy ny mpitondra tenin'ny governementa. Ny fanomanana ny fifidianana ho filoham-pirenena amin'ity taona ity izao no imasoana... ♦ Ny valin'ny fitliana ihany no hafantarana raha misy mpivarotra hena misy "formole" izany tokoa eny an-tsena na tsia. Hiaran'ny lalàna izay tratra manao izany, ary torak'izany koa izay minia manely tsaho manakorontana saim-bahoaka, raha tsy marina izany... ♦ Miteraka tsy fahandriampahalemana sy fidangan'ny vidim-piainana ny tsy fisian'ny lalam-by FCE, mampitohy an'i Manakara sy Fianarantsoa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...