♦ Vola hatrany amin'ny 720 tapitrisa sy 5 miliara Ariary no giazan'ny ARAI, na ny sampan-draharaha misahana ny famerenana amin'ny fanjakana ny harena rehetra azo tamin'ny tsy ara-dalana, miampy fiara 182 sy fananana samihafa, nanomboka ny taona 2022 nijoroan'ity rafitra ity... ♦ Mahatratra 714.000 Dolara ny trosan'ny mpiasan'ny Air Madagascar amin'ity kaompaniam-pitaterana an'habakabaka ity. Karaman'ny mpiasa tsy voaloa tao anatin'ny herintaona, izay tsy maintsy voaloa mialoha ny faran'ity volana ity, hoy ny Filohan'ny Filankevi-pitantanan'ny Madagasacar Airlines...

♦ Mandeha be ny feo ankehitriny fa tsy ao amin'ny fonjaben'i Tsiafahy nitazonana azy, ny Solombavam-bahoaka teo aloha voafidy tany Mahabo, Andriamatoa Leva... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo zaza amam-behivavy tratry ny mosary sy ny tsy fahampian-tsakafo, any amin'ny Faritra Atsimo Atsinanana... ♦ Tsy mahazo rano ny 45%-n'ny velaran-tany fambolem-bary eto Madagasikara, izay efa mahatratra 8 hetsy sy iray tapitrisa hekitara...

♦ Ampanantsoina eny amin'ny IGE Antaninarenina anio, ny Filohan'ny HCDDED teo aloha. Hanaovana fanadihadiana ao amin'ny biraon'ny Bianco Mahajanga kosa, amin'ny talata izao, Andriamatoa Ahmad, Filohan'ny CAF teo aloha... ♦ Hanomboka anio, any amin'ny Faritra Anosy, ny fikaonan-doha ara-bola isam-paritra, hakana ny soso-kevitra avy eny ifotony, entina hanomanana ny LFI 2024... ♦ Nijanona ho fandrahonana fotsiny kosa ny fitokonana saika hataon'ny fikambanan'ny mpitatitra amin'ny fiara vaventy, ATC. Nanapa-kevitra ny tsy hitokona indray mantsy izy ireo...

♦ Voaantso hatao fanadihadiana eo anivon'ny Inspection Générale de l'État, ny Filohan'ny HCDDED teo aloha, Navony Pierre Le Noble... ♦ Nampidirina am-ponja ny olona dimy tamin'ireo valo voarohirohy tamin'ilay fahaverezana vola maherin'ny 388 tapitrisa Ariary, tao amin'ny Trésor tao Ambalavao, Faritra Matsiatra Ambony... ♦ Tsy nahafa-po ny fari-pahaizan'ireo mpianatra tamin'ireo sekoly nampiharana ilay teti-pivoaran'ny fanabeazana na ny PSE, tao anatin'ny efa-taona. Misy ny atrikasa hanaovana jery todika ny fampiharana izany, eo amin'ny lafiny teknika sy ara-bola...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...