♦ Miahiahy ny vovonana Gasy Leo, raha nisy tokoa ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy nataon'ny CENI. Ahiahy, manoloana ireo olana tsy fahatomombanana voarain'izy ireo, taorian'ny fanamarinana anarana eny anivon'ny Fokontany... ♦ Andro tsy fiasàna nefa andraisan-karama manerana ny nosy ny zoma 21 avrily 2023 izao, araka ny naoty navoakan'ny Ministeran'ny asa sy ny asam-panjakàna ary ny lalàna sôsialy. Hisitraka io andro tsy fiasàna io avokoa ny mpiasa rehetra, hoy ny fanazavana... ♦ Mpampianatra FRAM 31.500 no noraisina ho mpiasam-panjakàna tao anatin'ny 3 taona, hoy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena. Nambarany fa niangarana manokana ny sehatry ny fanabeazana...
♦ Tsy mamadika fa miaro ny vahoaka amin'ny tsy rariny ireo solombavambahoaka anatin'ny Mihava Tour, hoy ny Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, raha namarana ny fitsidihana tany amin'ny Faritr'i Sava. Fotoana nilazany ny tsy fiarahan'izy ireo intsony amin'ny fitondràna... ♦ Olona roa no voasambotra, anisan'ireo tompon'andraikitra tamin'ny fitondràna ireo mpifindra monina antsokosoko, saika hiondrana tatsy amin'ny nosy Mayotte ny alin'ny 11 marsa teo. Hitondra fanazavàna ny eo anivon'ny APMF... ♦ Zaza 5 mianadahy no maty, vokatry ny fihinanana veoveo tany amin'ny Fokontany Vohitsindry, Kaominina Namorona, Distrika Manakara. Ny hanohanana no nahatonga azy ireo nihinana io karazan-java-maniry io...
♦ Tanora sivy no nomen'ny Filoham-pirenena fitaovana samihafa sy fanampiana ara-bola, avy amin'ny Fihariana, ho entin'izy ireo mampandroso ny orinasany, sy mampivelatra ny tetikasam-pihariana tanterahan'izy ireo... ♦ Mitaky ny hametrahana amin'ny toerana tokony hisy azy, ny mpiteti-pivoarana eto Madagasikara... ♦ Voasambotra ny olona roa, isan'ny tompon'andraikitra tamin'ny fitondrana ireo mpifindra monina antsokosoko, saika ho any Mayotte, tamin'ilay sambo rendrika tany amin'ny Nosy-Faly, ny alin'ny 11 marsa 2023...
♦ Nahavita ny fitsidiham-paritra faha-17 tany amin'ny Faritr'i Melaky ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Nisy ny karazana ramatahora sy fanaparam-pahefana nandritra ny fihaonana tao Maintirano... ♦ Laharana voalohany amin'ny tanjaka ara-toekarena amin'ny Faritra samihafa manerana ny nosy i Sofia raha tena ampiharina ny fitsinjaram-pahefana tena izy ka miverina any amin'ny Faritra ny harena ao aminy. Isan'ny nambaran'ny governora ny Jeneraly Lylison izany omaly tao Port Berger... ♦ Mitaky fifampiresahana, mialohan'ny hanohizan'ny QMM ny asa fitrandrahana ataony, ny fikambanana LUSUD. Maherin'ny 15.000 isa ny sonia voahangona mitaky izany hoy izy ireo...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco