♦ Miisa 15 eo ny olona hanaovana fanadihadiana ara-teknika momba ilay horonam-peo niparitaka, nifandraisan'ny Filohan'ny Repoblika sy ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimaria, niteraka resabe tato ho ato... ♦ Masoivoho vahiny miisa 8 eto Madagasikara no naneho ny ahiahiny manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Ministry ny Atitany, tamin'ny 31 marsa teo, mikasika ny famerana ny fanaovana hetsika ara-politika sy ny famoriam-bahoaka. Nanazava avy hatrany moa taorian'izay ny Ministra Tokely Justin... ♦ Ny fanalalahana ny famokarana, ny fikirakirana ary ny fanondranana ny Lavanila eto Madagasikara no vahaolana natolotr'ireo mpanondrana izany, raha nivory manokana tany Antalaha izy ireo...

♦ Folo andro tao aorian'ny fanambaran'ny Firaisamonim-pirenena ny fisitahany tsy ho mpanara-maso intsony eo anivon'ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly, dia nilaza ho mbola tsy naharay ny fametraham-pialan'izy ireo ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Miisa 15 eo ho eo ny olona hanaovana fanadihadiana ara-teknika, momba ilay horonam-peo niparitaka, nifandraisan'ny Filohan'ny Repoblika sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmaria... ♦ Ezahana ho vitaina alohan'ny Fetim-pirenena ireo lalana ratsy sy simba ao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, na ihany koa tsy maintsy atomboka alohan'izay ny fanamboarana azy ireny, hoy Governoran'ny Faritra Analamanga...

♦ Ny mpanohitra no tena tiana ho kendrena amin'ilay fanambaran'ny Minisitry ny Atitany, tsy afahana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana intsony, hoy ny antoko Vahoaka Miray. Nambaran'ny VAMI fa manitsaka ny Lalam-panorenana sy ny lalàna velona, iny fanambarana iny... ♦ Handrotsaka ampaham-bola hamatsiana ny IETI ny fitondrana malagasy. Tanjona ny hirosoana tsikelikely ho mpikamban'ny IETI iraisam-pirenena, hisian'ny mangarahara amin'ny sehatry ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany... ♦ Misaona ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety ara-panatanjahantena. Nodimandry tampoka omaly i Liva Andriamananjara. 34 taona monja izy, izao nondaosin'ny fahafatesana izao...

♦ Hisy ny hetsika fisorohana ny lozam-pifamoivoizana amin'izao ankatoky y fetin'ny Paka izao. Manao hetsika fanentanana amin'ireo toby fiantsonana samihafa nanomboka omaly ny Ministry ny Fitanterana sy ny Ministry ny Filaminam-bahoaka... ♦ Olona manana toe-tena varira miisa 07 no nisy naka ankeriny hatramin'ny fiandohan'ity taona 2023 ity, raha ny tatitry ny Fikambanana Albinos Madagascar. Efa mba nihena ny fanilikilihana azy ireo eo anivon'ny fiaraha-monina... ♦ Mpianatra avy amin'ny Oniversitem-panjakàna miisa 03 eto Madagasikara no niara-nanao fitokonana omaly. Nanao hetsika filanjàna sora-baventy avokoa izy ireo, mitaky ny vatsim-pianarana miampy fampitaovana 05 volana tsy voaloan'ny Fanjakàna...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...