♦ Miahiahy ambadika pôlitika amin'ny fisamborana sy fampidirana am-ponja vonjimaika ny tompon'ny La Gazette de la Grande Île ny Federasiôn'ny mpanao gazety eto Madagasikara. Nanao fanambaràna izy ireo omaly, manoloana ity raharaha ity... ♦ Hosokafana amin'ny mpandraharaha hafa ny fanomezan-dalana amin'ny fahafahana mikirakira lavanila, hoy ny ministry ny varotra sy ny fanjifàna. Nivory niaraka tamin'ireo mpandraharaha mpanondrana ity vokatra ity indray ny Ministera omaly... ♦ Nitombo 36 isa indray ireo nahazo laharam-boninahitra jeneraly eo anivon'ny Foloalindahy malagasy ho an'ny taona 2022. Naseho tamin'ny fomba ôfisaly omaly tamin'ny ministry ny fiarovam-pirenena izy ireo...
♦ Niaiky ny Minisitra Edgar Razafindrahy androany, fa mandalo krizy ny lavanila. Andrasana ny fehin-kevitra tinapaka tamin'ny dinika niarahany tamin'ireo mpandraharaha... ♦ Tsy tokony atao kabary pôlitika fa amin'ny alalan'ny fitsinjaram-pahefana tena izy, ny famahana ny olan'ny orinasa SECREN, hoy ny Filoha Nasiônalin'ny antoko MMM... ♦ Nosokajian'ny mpitandro ny filaminana ho mpandimby an'ny Del Kely kosa, ilay jiolahy maty voatifitra antsoina hoe Iaris...
♦ Mitaky ny hanaovana "audit" ao amin'ny CENI ny FMI-Malagasy. Tokony mitondra fanazavàna antsipirihany momba ny hampiasàna ilay teti-bola 145 miliara Ariary hikarakaràna fifidianana ity Vaomiera ity, hoy Andriamatoa Jean Jacques Ratsietison... ♦ Mangata-bavaka amin'ny rehetra ny FFKM hampahomby ireo dingana samihafa ataony, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Hizara telo izany dingana izany, izay hosantarina eny Ilafy amin'ity herinandro ity... ♦ Miantso vonjy maika amin'ny fitondram-panjakàna ny fikambanan'ireo mpitatitra entana amin'ny fiara vaventy. Marary ity seha-pihariana ity eto Madagasikara, ka mila hitadiavana vahaolana, hoy izy ireo...
♦ Feno dia feno ny fandaharam-potoanan'ny Antilin'i Madagasikara mialoha ny Sorona Masina ho fanokafana ôfisialy ny faha-100 taonany. Misy ny tsara ho fantatra mikasika ny fandaharam-potoana... ♦Nanantitrantitra ny amin'ny tokony hanajàna ny asa mba hiverenan'ny fahatokisan'ny vahoaka ny Fitsaràna ny Ministry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Manatanteraka fidinana ifotony any Avaratry ny nosy Ramatoa Ministra ankehitriny... ♦ Ny 19 may hatramin'ny 21 may no hanatanterahana ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco