♦ Kendrena ho azo hampiasaina amin'ny volana aogositra izao, ny ampahany voalohany amin'ny fitaterana antariby sy ny “train urbain”... ♦ Hodinihin'ireo parlemantera amin'ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ny volana mey, ny fehezan-dalana vaovao momba ny asa, ho fampanarahan-dalana sy ho fampanjakana ny rariny ara-tsôsialy ary asa mendrika eto Madagasikara... ♦ Miditra amin'ny taom-baovao 2023 manomboka anio, ary manamarika izany ireo mpandala ny Taom-baovao malagasy, amin'ny fotoanan'ny fararano mialoha ny hahataperan'ny fahavaratra, toa izao...
♦ Miakatra ny reniranon'i Sisaony noho ny rotsak'orana. Anatin'ny filazana loza manambana na ny loko mavo amin'ny mety hisian'ny tondra-drano ny lemak'Antananarivo lalovan'ny reninrano Sisaony... ♦ Hodinihina eny amin'ny Antenimiera mpanao lalana, mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ny volana mey, ny fehezan-dalana vaovao momba ny asa, hoy ny Minisitry ny Asa, Fampanana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana sôsialy... ♦ Mifarana androany ny taona 2022, ho an'ireo mpandala ny taom-baovao malagasy...
♦ Tsy misy ny antoka milaza fa mampangarahara ny lisitry ny mpifidy ny fanaovana “audit” ataon'ny CENI amin'izao, hoy ny Federasiônn'ny Gadra pôlitika... ♦ Tapaka vonjimaika, tsy azo aleha ny Lalam-pirenena faha-7, mandalo any Behenjy, noho ny tondra-drano, nateraky ny fiavian'ny orana naharitra alina. Niakatra 1 metatra ambonin'ny arabe ny rano any an-toerana... ♦ Hita ilay zazavavy varira, rehefa nisy naka an-keriny, nandritra ny iray volana sy 10 andro, tany Taolagnaro. Nokasain'ireo mpaka an-keriny hamidy 150 tapitrisa Ariary, amin'izay mahasahy mividy azy...
♦ Nivoaka ny trano fivoriana ny vondron'ny mpanohitra omaly, nandritra ny fivoriana fitsirihana ny antontam-baovao mirakitra ny lisitry ny mpifidy, teny amin'ny CENI Alarobia... ♦ Nihemotra ny daty hanaovana ny fifaninanana handraisana mpianatra ho mpandraharahan'ny fonja amin'ity taona ity. Nitombo ny mpifaninana satria tafakatra ho sivy arivo... ♦ Nisy teratany vahiny vitsivitsy, tratra nitrandraka volamena tamin'ny fomba tsy ara-dalana, tao amin'ny reniranon'i Kamoro any Maevatananana. Nosamborina izy ireo, ary nogiazana ireo fitaovana marobe nampiasainy...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco