♦ Ny fakàn-kevitra isam-paritra no tokony hiaigana hanatsarana ny zotram-pifidianana hoy ny KMF/Cnoe. Nambarany ihany fa tsy tokony ny FFKM no hitarika ny fakàn-kevitra momba ny fanomanana ny fifidianana... ♦ Tsy hitsirika ny antotam-baovao ao amin'ny CENI momba ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, araka ny antso nataon'ny filohany, ny vondrona Panorama. Ny firafitry ny CENI mihitsy no mila hatsaraina, hoy izy ireo... ♦ Efa niharan'ny fanararaotana mamoafady avokoa ny 47% amin'ny ankizy mampiasa "Internet" nanaovan'ny ECPATE France fanadihadiana. Mahazo vahana ihany koa ny fisolokiana amin'ny tambazotran-tserasera amin'izao, hoy ihany ity fikambanana ity...
♦ Nifampidinika tamin'ireo hery velona samihafa eto amin'ny firenena teny Ampandrana omaly ny eo anivon'n FFKM. Anisan'ireo niresaka tamin'izy ireo, ny avy amin'ny CENI, nidinika ny fampihaonana momba ny fifidianana amin'ny 24 marsa izao... ♦ Nahitàna fiakarany tampoka ny vidin'ireo entana ilaina andavanandro eto amintsika, indrindra ny vary gasy. Niditra an-tsehatra nanao fitsirihana teny an-tsena ny Ministeran'ny Varotra, nilaza fa tsy ekena intsony ny fanararaotana... ♦ Novàna sy navaozina ny pôlitikam-pirenena ho an'ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Nanamafy ny fahavononany hanohana antsika malagasy amin'ny fanatanterahana izany, ireo mpiara-miombon'antoka, omaly...
♦ Mitsidika ny Vice-Province-n'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, i Mompera Alphose Owoudou, Mpanolotsaina jeneralin'ny Fikambanana Saleziana, misahana ny Faritra Afrika sy Madagasikara... ♦ Afaka mandinika ny raharaham-pirenena ny FFKM, ka handray anjara amin'ny fampihaonana ataon'ny CENI, amin'ny 24 marsa izao, eny amin'ny Novotel... ♦ Notanterahana tamin'ny fomba ôfisialy tany Morondava androany, ny atrikasa fanombohana ara-teknika ny Tetikasa Titre Vert Menabe Antimena...
♦ Mitady hirona mankany amin'ny fampianaran-dratsy ireo mpanao pôlitika, raha tarafina amin'ny famoriam-bahoaka ataony ankehitriny, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena... ♦ Niravona ny disadisa misy eo amin'ireo vondrona mpaninjara solika sy ny fitondram-panjakana, ka hiverina hadoa hetra ireo mpaninjara solika, amin'ny herinandro... ♦ Tsy tokony hifanilika andraikitra amin'ny famahana ny olan'ny mpianatra eny Vontovorona ireo mpitantana, hoy ny Filoha Nasiônalin'ny SECES...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco