♦ Tsy maintsy hirosoana ny fifidianana amin'ity taona ity. Tsy hanova ny lalam-pifidianana ny governemanta ankehitriny hoy ny Praiministra Ntsay Christiana raha nanao tatitra ny asa vitan'ny governemanta teny amin'ny antenimieram-pirenena izy omaly... ♦ Tondroin'ny antoko Malagasy Miara-Miainga tsy ho vonona hametraka ny mangarahara sy ny hanaja ny lalàna mandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny eo anivon'ny CENI... ♦ Tanterahana eto Antananarivo mandritra ny telo andro ny atri'asa fampivoarana ny indostria... ♦ Nanambara ny firotsahana ho kandidà amin'ny fifidianana filoham-panjakàna any Etazonia ny governoran'i Floride avy amin'ny antoko repoblikana Ron DeSantis...
♦ Nilaza ny Praiminisitra androany fa tsy manana eritreritra ny hanova ny làlam-pifidianana, na eo aza ny fitakian'ny mpanohitra sy ny fiarahamonim-pirenena... ♦ Namoaka fanambarana ny antoko MMM androany, nilaza fa mandika ny làlana laharana 2018-008, momba ny fifidianana ny CENI. Tsy mipetraka, hoy ny antoko, ny finiavana hametraka ny mangarahara sy hanaja ny làlana mandritra izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izao... ♦ Miverina indray ny fisiana solika mitapoka eto amintsika, raha ireo vaovao samihafa, nivoaka tato ho ato. Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa MCI...
♦ Manentana ny solombavambahoaka ny firaisamonim-pirenena hamporisika ny Mpanatanteraka hanao soson-kevitra fanitsiana amin'ny teti-bola ankehitriny mba hamaly ny filàna hanatanterahana ny fifidianana madio sy marina eto Madagasikara... ♦ Hotanterahana ny 15 hatramin'ny 18 jona 2023 ny andiany faharoa amin'ny hairanty biôlôjika eto Madagasikara. Mifanindran-dalana amin'izany ny Fampirantiana Iraisam-pirenena ho an'ny Fizahan-tany eto Madagasikara "ITM 2023"... ♦ 19 andro mialoha ny hiatrehan'ny ekipam-pirenena malagasy amin'ny taranja baolina kitra ny lalao amin'ny fifanitsanana ho an'ny CAN 2023 dia mbola tsy fantatra mazava hatramin'izao izay ho mpanazatra ny Barea an'i Madagasikara...
♦ Hifandimby hanao tatitra amin'ny solombavambahoaka sy hamaly ny fanontanian'izy ireo, manomboka anio ireo ministra isan-tokony... ♦ Mahafantatra ny tompon'antoka tamin'ny fidirana antsokosoko tao amin'ny trano fonenany ny faran'ny herinandro teo, ny filohan'ny antenimieram-pirenena... ♦ Lany tao amin'ny asam-baomiera, tsy nisy nitsipaka ary tsy nasiam-panovana, tao amin'ny antenimieran-doholona omaly, ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara... ♦ Nambaran'ny mpitondra Rosiana fa ravan'izy ireo, ireo miaramila avy any Ukraine, tafiditra antsokosoko tany amin'ny faritra Rosiana tany Belgourode...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco