♦ Mbola ilaina ny fifanakalozan-kevitra, hanatsarana ny asan'ny CENI, ka miantso ny FFKM, ny antoko MMM... ♦ Nahita ny lesoka eny amin'ny fonja Antanimora, ny Minisitry ny Fitsarana, nandritra ny fitsidihana tampoka teny amin'ity fonja ity... ♦ Ahiana hanimba ny faritra avo misy ny Rovan'i Madagasikara, ny fanorenana tsy ara-dalana ataon'ny mponina, hoy ireo mpampianatra mpikaroka...
♦ Tsy maintsy hovaina ny lalàm-pifidianana, raha tiana ny hametraka ny vola azon'ny kandidà ampiasaina amin'ny fampielezan-kevitra hoy ny mpahay lalàna, Sahondra Rabenarivo... ♦ Tovovavy malagasy miisa 07 no lasa mpivaro-tena atsy amin'ny nosy Mayotte, ary nosamborin'ny Zandary any an-toerana. Nofitahina ka noterena hivaro-tena izy ireo, rehefa niantohana ara-bola niala teto Madagasikara... ♦ Handaniana 20 ka hatramin'ny 100 tapitrisa Ariary ny fandefasana mpianatra mandranto fianarana any ivelany amin'izao. Manana vahaolana amin'izany ny orinasa Andafy-Study, izay mahavita mandefa mpianatra malagasy miisa 4000 eo isan-taona...
♦ Natomboka ny faran'ny herinandro teo ny fanamboarana ilay fantsona famatsiana rano ho an'ny amin'ny Faritra Androy miala any Efaho. Hahatratra 97 kma ny halavany, hamatsy rano 15 tapitrisa metatra tora-telo isan-taona... ♦ Manahy ny tsy haha-voatazona ny fameram-bidy farany ambany ny lavanila ho 75000 Ariary ireo tantsaha ao anatin'ny Sahanala, taorian'ny famahàna olana tany Sava. Hihaona amin'ny Praiministra izy ireo, manoloana izany... ♦ Nomarihana ny sabotsy teo ny andro eran-tany ho an'ny tany. Hetsi-panentanana nanairana ny rehetra teny Analakely no nentin'ny fianakaviambe Fransiskàna nanamarihana izany... ♦ Mampody ireo terataniny monina sy miasa any Soudan ireo firenena eropeana, manoloana ny ady any an-toerana...
♦ Manolo-kevitra amin'ny tokony hanatsarana ny lalàna mifehy ny fitsarana Avo na HCJ ny Kômity miaro ny fahitsiana na ny CSI... ♦ Nitondra ny raharaha eny anivon'ny fitsarana ny antoko Malagasy Miara-Miainga manoloana ny sakana nahazo azy ireo tany Fandriana... ♦ Mikatso eny anivon'ny tahirim-bolam-panjakana ny volan'ny ankamaroan'ny Kaominina ankehitriny... ♦ Vaovao avy any Ivelany : Efa maherin'ny 400 olona ireo maty tao anatin'ny herinandro vokatry ny ady any Soudan...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco