♦ Hifanaretsaka ireo mpampiasa lalana hijery ny Afomanga hanamarihana ny fetim-pirenena ety Ivato rahampitso hariva. Misy ireo fandaminana samihafa momba izany, araka ny nambaran'ny tompon'andraikitra... ♦ Namoaka fanambaràna ny sehatry ny raiamandreny na ny SERA amin'izao mialoha ny dinika momba ny "îles éparses" any Paris Frantsa izao. Lavina marindrano ny hevitra fiaraha-mitantana hoy izy ireo... ♦ Nanitsy ny vaovao navoaky ny JIRAMA ny orinasa Symbion fa tsy simba akory ny milina mpamokatra herinaratr'izy ireo ka nambara fa mampisy ny delestazy... ♦ Nodarohan'i Iran missile omaly hariva ny tobim-pamaharan'ny tafika amerikana Al Odeid any Qatar...

• Tsy azo ekena velively, fa lavina marindrano, ny hevitra ny amin'ny hoe fiaraha-mitantana momba ireo Nosy Malagasy, hoy ny SERA. Mila apetraka mazava tsara anefa ny fiandrianam-pizakana ananan'i Madagasikara amin'ireo nosiny ireo... • Hamoaka ny voka-pikarohana ny Fitsarana momba ny Kaonty sy ny Fitsarana ara-bola. Hisy koa fomba fiasa vaovao hahafahan'ny olom-pirenena mitondra ny hetahetany amin'izay rafi-panjakana mila hanaovana fitsirihana manokana... • Afaka hanatrika ny herinandro fampiroboroboana ny indostria ho an'ny SADC, ireo hivoaka ho mpandresy amin'ilay hetsika Rallyes des industries...

♦ Ho tsaraina rahampitso amin'ny 9 ora maraina eny amin'ny efitrano fahatelo eny amin'ny Fitsarana Anosy, ny raharaha navoarohirohy ilay mpanao gazety AVIMANA Fernand Cello... ♦ Maro ny fanovàna ny daty fara-fanjifàna atao amin'ireo sakafo miditra eto Madagasikara hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Azo atao tsara ny manova ny fanabeazana eto Madagasikara ho any amin'ny fahatsaràna tokony hisy azy hoy ASMAE, ny Association Soeur Emmanuel... ♦ Hisy valim-panafihana ataon'i Iran ho an'i Etats-Unis, raha ny nambaran'ny filoha Iraniana MASSOUD PEZESHKIAN, omaly...

♦ Notontosaina teny amin'ny EKAR Katedraly Andohalo omaly tolak'andro ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana, notarihan'ny FFKM ho fitrotroana am-bavaka ny firenena, noho ny fanamarihana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantena... ♦ Mihemotra ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara, hoy ny solombavambahoaka avy amin'ny antoko Tiako i Madagasikara... ♦ Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy ny vahoakan'Anosiala atao amin'ny distrikan'Ambohidratrimo ny sabotsy teo teny amin'ny Kianja Barcelone ny Ben'ny Tanàna voafidy teny amin'ity kaominina ity... ♦ Mihamafy ny ady eo amin'i Israely sy Iran, taorian'ny daroka baomba nataon'i Etazonia...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...