♦ Tsy hankalaza ny tsingerin-taona nijoroany ny RMDM rahampitso alahady 10 aogositra. Milaza ny hanokana ho andro fahanginana ny rahampitso hahatsiarovana ireo maty, noho ny raharaha Ambohimalaza, izy ireo... ♦ Miantso ny hisian'ny fitoniana pôlitika ireo solombavambahoaka sasany mpomba ny fitondràna amin'izao fandraisana ny fivorian'ny SADC eto Madagasikara izao... ♦ Hiakatra kianja hihaona amin'i Tanzania ny BAREA anio alina, anatin'ny CHAN 2025. Mila mitady fandresena amin'ny mpampiantrano isika Malagasy, raha te ho tsara toerana amin'izao fifanintsanana isam-bondrona izao...
♦ Misy olona maro tokony hosamborina eto Madagasikara momba ny raharaha Boeing 777 hoy ny RMDM. Nahitsy izy ireo nilaza omaly fa misy manakana ny fanadihadiana ataon'ny tompon'andraikitra Malagasy momba ity raharaha ity... ♦ Namaly ny tsikeran'ny mpanohitra momba ny fandraisana ny fivorian'ny SADC eto Madagasikara ny filoham-pirenena omaly. Nambarany fa tsy olom-bitsy amin'ny tambazotran-tserasera no hanakorontana ny Malagasy eto... ♦ Miomana sahady ny Ministeran'ny rano hanamaivanana ny fahasahiranana amin'ny famatsiana rano eto Antananarivo sy ny manodidina mandritra ny main-tany. Nofenoina ho 30 ireo fiara-be mpamatsy rano eny ifotony...
• Namaly bontana ny tsikera atao amin'ny fitondrana, androany ny Filohan'ny Repoblika. Tsy olom-bitsy amin'ny tambajotran-tserasera 10 na 14 akory, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina, no hanakorontana eto fa efa mahatsapa ny ezaka ataon'ny fiondrana ny Malagasy... • Nitafa tamin'ny mpanao gazety ny mpitarika ny RMDM. Nametra-panontaniana izy ireo hoe : “Iza marina no tena tompon'ireo Boeing miisa 5 nomena laharana malagasy lasa any Iran ?”... • Nandray ny fitarihana sy ny fandrindrana ny Komitin'ny fitantanam-bola eo anivon'ny SADC i Madagasikara nanomboka androany. Mitarika izany mandritra ny herintaona ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola malagasy...
• Nisehoana horohorontany teto Antananarivo sy ny manodidina androany tolakandro. Heverina ho tany amin'ny Distrikan'Anjozorobe no nisy ny foibeny ary nahatratra 4,5 amin'ny mari-drefy Richter ny heriny... • Tsy nisy olona hafa intsony hatramin'izao, nampahafantarina fa hatao fanadihadiana momba ny raharaha Boeing 777, tao aorian'ny nisamborana ireo roalahy ahitana teratany Indiana... • Misy ary ampy ny tahirim-bakisiny BCG eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nitondra fanazavana momba ny famatsiana io karazam-bakisiny io eto amintsika izy androany...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco