♦ Nahitana anarana miverimberina maherin'ny 379.000, tao aorian'ny fanadiovana ny lisitry ny mpifidy, azo tamin'ny fanavaozana faobe nataon'ny CENI. Maherin'ny 9.623.000 ireo voasoratra anarana ao anatin'ny lisitra nifarana vonjimaika androany... ♦ Niantso ny fanjakana hanaja ny fahafahana maneho hevitra, ny antoko MMM. Voafaritra tsara ao anatin'ny Lalam-panorenana napetraky ny Filoha ankehitriny mantsy izany, hoy ny MMM... ♦ Hamafisina sy hatsaraina ireo ezaka efa natao amin'ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana eto amin'ny firenena. Nivoitra izany nandritra ny dinika niarahan'ny Minisitra telo misahana ny fiarovana sy ny fitandroana ny fandriam-pahalemana, eo anivon'ny Governemanta...

♦ Niatrika ny fetin'ny Paka tao anatin'ny filaminana tamin'ny ankapobeny ny Malagasy tamin'ity taona ity. Misy ny fintina sy akon'ireo tranga samihafa nisongadina, nandritra ity fety ity... ♦ Tsy misy tena antony handraràn'ny fotondrana ny hetsika pôlitika ankalamanjana, izao mialohan'ny fifidianana izao, hoy ny antoko Fiombonana. Nambaran'ny antoko fa natao hikendrena manokana ireo mety ho kandidà no tanjon'ny fanapahan-kevitry ny Ministry ny Atitany amin'izany... ♦ Olona  400.000 isa no nisitraka fizaham-pahasalamana maimaim-poana tamin'ny fandaharan'asa fahasalamana manakaiky vahoaka, notanterahin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka. Tobim-pahasalamana 2.000 isa mahery no nomena fampitaovana tao anatin'ny 5 taona...

♦ Manatanteraka fivahinianana Masina any Jerosalema ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny ankohonany. Hihaona amin'ny Filoha Israeliana ihany koa izy mandritra izao diany any izao... ♦ Atahorana ny fihenjanan'ny toe-draharaha politika ato ho ato eto Madagasikara hoy ny prefet an'Antananarivo Ny jeneraly Ravelonarivo Angelo. Antony nandraisan'ny Fanjakàna fepetra tsy hitaran'izany... ♦ Basket ball, hanoman-tena hiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany hatao any Hongrie amin'ity taona ity ny ekipam-pirenena Ankoay lehilahy latsaky ny 19 taona. Hihazo an'i La-Frantsa rahampitso ny delegasiôna malagasy...

♦ Miantso ny mpanao politika hanaja ny fitoniana amin'izao ankatoky ny Paka izao ny vovonana "Isika Fikambanana Miaradia amin'i Andry Rajoelina" na ny IFI. Tsy nisy ny fahanginana ara-politika tamin'ity taona ity hoy ny antoko Fiombonana noho ny fanapahan-kevitry ny Fanjakàna ihany... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ny fahasalamana. Miantso ny mpamokatra hamokatra sakafo ara-pahasalamana ny fikambanana Malagasy Ela Velona na ny "Maeva"... ♦ Natolotra ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana Ramilison Harifidy teny Anosy, omaly ny masomboly fototra ahafahana mamokatra ny katsaka safiotra eto Madagasikara...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...