♦ Nitombo hery ao amin'ny Lakandranon'i Môzambika indray, ilay rivodoza Freddy. Manatona ny morontsiraka atsimo andrefan'ny nosy izy, ary mahafaka 9 km isan'ora... ♦ Tsy mirindra araka ny tokony ho izy ny fizarana ny fanampiana ho an'ny traboina any amin'ny Ditrikan'i Nosy Varika, hoy ny Tangalamena Ramandimbison Paul... ♦ Homena sehatra misimisy kokoa mandritra ny fanamarihana ny Andro Eran-tany ho an'ny Vehivavy, ny alarobia 8 marsa ho avy izao, ny fanabeazana ny ankizivavy...
♦ Miditra amin'ny andro fahefatra anio, ny "Sinaody Eglizy miara-dia", dingana kaontinantaly tanterahana any Addis-Abeba. Handravina ireo hevitra voaangona ny mpandray anjara, handrafetana ny tahirin-kevitra hatolotra ny Vatican, hodinihin'ny Eevaka amin'ny volana ôktôbra 2023... ♦ Voavaha ny olan'ny mpiasan'ny lalamby FCE, tao aorian'ny fitokonana lavareny noho ny tsy fandraisan'izy ireo karama... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ireo karazam-biby sy zava-maniry dia, manao ezaka hiarovana ny sokatra any amin'ny faritra ipetrahany, ny tompon'andraikitra samihafa...
♦ Mihamanatona ny morontsiraky ny Faritra Atsimo Andrefana indray, ilay rivodoza Freddy. Hitohy hahazo rotsak'orana betsaka ny tapany andrefana sy ny atsimon'ny nosy, hatramin'ny alatsinainy... ♦ Vehivavy 80000 no hanatrika ny lanonana ôfisialy hanamarihana ny 8 marsa eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina, amin'ny alarobia izao. Hetsika eo ambany fitarihan'ny vadin'ny Filoham-pirenena... ♦ Voavaha ny olan'ireo mpiasan'ny lalamby FCE, rehefa nanao fitokonana lavareny, noho ny tsy fandraisana karama. Nahita vahaolana niaraka tamin'ny Minisitry ny Asa sy ny Asam-panjakana, izy ireo...
♦ Efa miroso ao anatin'ny dingana fifampizarana, ireo mpandray anjara amin'ny "Sinaody Eglizy Miara-dia", dingana kaontinantaly... ♦ Namoaka tenimita ho fampahatsiahivana sy ho fampiharana avy hatrany, amin'ny tsy maintsy hanajana ireo fitsipika, toy ny fananganan-tsaina any am-pianarana, ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Tsy hita afa-tsy eto Madagasikara kosa, ny 5%-n'ireo karazan-java-manana aina dia, maneran-tany. Akalazaina anio ny Andro maneran-tany ho an'ny fiainana dia...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco