♦ Nivoaka ny trano fivoriana ny vondron'ny mpanohitra omaly, nandritra ny fivoriana fitsirihana ny antontam-baovao mirakitra ny lisitry ny mpifidy, teny amin'ny CENI Alarobia... ♦ Nihemotra ny daty hanaovana ny fifaninanana handraisana mpianatra ho mpandraharahan'ny fonja amin'ity taona ity. Nitombo ny mpifaninana satria tafakatra ho sivy arivo... ♦ Nisy teratany vahiny vitsivitsy, tratra nitrandraka volamena tamin'ny fomba tsy ara-dalana, tao amin'ny reniranon'i Kamoro any Maevatananana. Nosamborina izy ireo, ary nogiazana ireo fitaovana marobe nampiasainy...
♦ Nivoaka ny efitrano fivoriana teny amin'ny foiben'ny CENI teny Alarobia androany, ireo mpanao pôlitika mpanohitra, tao aorian'ny fanambarana natony. Milaza ny tsy handray anjara amin'ny fampihaonana ataon'ny CENI amin'ny zoma, izy ireo... ♦ Tsy nanakana ny dinika niarahan'ny CENI tamin'ireo antoko pôlitika sy ny fiarahamonim-pirenena, nanoina ny antsony, ny fisitahan'ireo mpanohitra... ♦ Tsy voatana ny datin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, izay tokony hatao manomboka ny zoma izao. Ho fantatra tsy ho ela kosa ny daty hanatanterahana izany, hoy ny tompon'andraikitra...
♦ Miantso ny mpiara-dia aminy hisoratra anarana anatin'ny lisi-pifidianana sy hanara-maso akaiky ny zotram-pifidianana ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM nandritra ny famoriam-bahoaka natao ny sabotsy teo... ♦ Hosokafana amin'ny alarobia izao eny amin'ny zaridainan'Anosy ny fahatsiarovana ny faha-76 taonan'ny tolom-panafahana ny 29 marsa 1947... ♦ Baolina kitra : nanomboka omaly ny fampivondronana an'ireo mpilalao mandrafitra ny Barean'i Madagasikara hiatrika ny lalao amin'ny Centre-Afrique amin'ny alakamisy izao... ♦ Mivahiny any Rosia mandritra ny hateloana nanomboka androany ny filoha sinoa Xi Jinping, mijoro ho mpanelanelana eo amin'ny ady misy eo amin'ny Rosia sy Ukraine...
♦ Iray no safotry ny baomba mandatsa-dranomaso tetsy Itaosy ny sabotsy teo. Nosakanan'ny mpitandro filaminana indray ny hetsika fifampiarahabana nataon'ny antoko TIM sy ny mpanara-dia azy ao Itaosy... ♦ Valan'aretina Covid-19 : miisa 30 ireo tranga vaovao voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus. Iray kosa no lavon'ny aretina... ♦ Nitrangan'ny lozam-pifamoivoizana an-dalamby tao Loreandava Brickaville. Fiara nitondra ny teknisian'ny orinasa JIRAMA namita iraka no nifandona tamin'ny lamasinina mpitondra entana. Olona miisa 03 no maty teo no eo...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco