♦ Iray no safotry ny baomba mandatsa-dranomaso tetsy Itaosy ny sabotsy teo. Nosakanan'ny mpitandro filaminana indray ny hetsika fifampiarahabana nataon'ny antoko TIM sy ny mpanara-dia azy ao Itaosy... ♦ Valan'aretina Covid-19 : miisa 30 ireo tranga vaovao voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus. Iray kosa no lavon'ny aretina... ♦ Nitrangan'ny lozam-pifamoivoizana an-dalamby tao Loreandava Brickaville. Fiara nitondra ny teknisian'ny orinasa JIRAMA namita iraka no nifandona tamin'ny lamasinina mpitondra entana. Olona miisa 03 no maty teo no eo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...