♦ Tsy tomombana ny fikarakarana ny fifidianana amin'ny taona ho avy hoy ny Filohan'ny antoko Tiako i Madagasikara, Ravalomanana Marc. Manamafy ny amin'ny tokony hanaovana ny fikaonandoham-pirenena hametrahana ny fitsipika hifehezana ny fifidianana ifanarahana izy ireo... ♦ Nihaona tamin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha nyFilohan'ny FIDA mandalo eto Madagasikara... ♦ Marihana andraony 08 desambra ny andro eran-tany ho an'ny toe-tany. Nanokana ity volana desambra ity hanaovana fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana iadiana amin'ny fihafanan'ny tany ny Orange Madagascar...
♦ Tafapetraka omaly hariva eny amin'ny antenimieram-pirenena ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta Ntsay Christian. Solombavambahoaka miisa 105 no nanao sonia izany. Miantso ny fitoaniana ho an'ny olom-pirenena rehetra sy ny fahatongavan-tsain'ny mpisehatra pôlitika ny filan-kevitry ny Ministra hanavotra an'i Madagasikara... ♦ Nahery vaika ny fanoheran'ny mpianatry ny ENS, ny mpitandro filaminana tonga nandamina ny toe-draharaha teny Ampefiloha. Nivoaka ny faritry ny toeram-pianarana, ireo mpitokona omaly maraina... ♦ Maherin'ny 100 tapitrisa Dôlara ny trosan'ny Air Madagasikara ka tsy maintsy atao izay hanavotana ity kaompaniam-pitanterana nasiônaly ity, hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina...
♦ Miisa 105 ireo Solombavam-bahoaka nanao sonia ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta. Tafapetraka teny Tsimbazaza, ny hariva teo izany... ♦ Ahemotra amin'ny alarobia 14 sy alakamisy 15 desambra indray, ny fifanatrehan'ny Governemanta sy ny Solombavam-bahoaka, izay saika hatao rahampitso alakamisy sy zoma izao... ♦ Nihanahery vaika ny hetsika nataon'ny mpianatry ny ENS Ampefiloha androany. Nisy ireo naratra vokatry ny savorovoro teny an-toerana...
♦ Naharatràna olon-tsotra sy mpitandro ny filaminana ny fitokonana nataon'ireo Normaliens nampian'ny mpianatry ny ENS, teny Ampefiloha, androany maraina... ♦ Velon-taraina amin'ny tsy fivoahan'ny marina momba ilay mpianatra iray maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Manakara, ny fikambanan'ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo avy any Fitovignany... ♦ Taolam-paty miisa 397, avy any Nosy-Varika, no tra-tehaky ny zandarimariam-pirenena afak'omaly. Olona miisa 07, no voarohirohy efa voasambotra hanaovana famotorana...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco