♦ Nifampidinika tamin'ireo hery velona samihafa eto amin'ny firenena teny Ampandrana omaly ny eo anivon'n FFKM. Anisan'ireo niresaka tamin'izy ireo, ny avy amin'ny CENI, nidinika ny fampihaonana momba ny fifidianana amin'ny 24 marsa izao... ♦ Nahitàna fiakarany tampoka ny vidin'ireo entana ilaina andavanandro eto amintsika, indrindra ny vary gasy. Niditra an-tsehatra nanao fitsirihana teny an-tsena ny Ministeran'ny Varotra, nilaza fa tsy ekena intsony ny fanararaotana... ♦ Novàna sy navaozina ny pôlitikam-pirenena ho an'ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Nanamafy ny fahavononany hanohana antsika malagasy amin'ny fanatanterahana izany, ireo mpiara-miombon'antoka, omaly...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...