♦ Andrasana ny fehin-kevitry ny FFKM momba ny raharaham-pirenena, indrindra ilay resaka "fanorenam-pirenena". Anisan'ny hodinihina izany mandritra ny kômity foiben'ny FFKM hatao any Ambatondrazaka manomboka rahampitso... ♦ Mbola mikatso eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny fanenjehana ireo olona ambony tokony hiatrika fitsaràna eo anivon'ny HCJ. Ny tsy fahampian'ny fetr'isan'ireo solombavambahoaka tonga mivory tokony hanapaka izany ny olana... ♦ Olona 84 no voasambotry ny Pôlisy ao an-drenivohitra tao anatin'ny herinandro, noho ireo asa ratsy samihafa. Nisy ny hetsika manokana natao nahazoana izao vokatra ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana izao...

♦ Tapaka tanteraka ny tady eo amin'ny fitondràna ankehitriny sy ny antoko MMM. Namafisin'Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo ny tsy hiarahan'izy ireo intsony amin'ny fitondràna nandritra ny fikaonandoham-paritra teto Analamanga... ♦ Nihamafy indray ny fahatapahan-jiro tato ho ato, noho ny olan'ny famokarana sy famatsiana herinaratra. Nilaza ny hampihena ny delestazy ety amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo ny Jirama, afahan'ny rehetra mijery ny Mondial 2022... ♦ Kendrena hanana trano fivoahana ny 90% amin'ny vahoaka malagasy amin'ny taona 2025, araka ny vina napetraka. Mbola ny 32% ihany amin'izao no mampiasa izany, araka ny tokony ho izy...

♦ Tapaka tanteraka ny tady eo amin'ny fitondrana ankehitriny sy ny antoko Malagasy Miara-Miainga, na ny MMM... ♦ Manana olana amin'ny fo noho ny tsy fikorinan'ny rà araka ny tokony ho izy, ny 30% amin'ny Malagasy... ♦ Efa nampahafantatra ireo tompon'andraikitra isan'ambaratongany, momba ny tsy fahamarinan'ilay zotra vaovao 147 Plus, ny UCTU...

♦ Tokony hametraka paik'ady ampitoviana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, sy tokony hampihena ny saran'ny fampiasana izany mba hahamora ny fisitrahana izany ny OIF, hoy ny Praiministra Malagasy... ♦ Nijanona tsy ho filoha nasiônalin'ny antoko AVI intsony, Andriamatoa  Norbert Lala Ratsirahonana. Fiaraha-mitantana olona 3 aloha no napetrany... ♦ Apetraka eo antampon'ny Ihorombe ny antsoina hoe : "Zone d'Emergence Integré", Ivon-toeran'ny Fampandrosoana Ifotony izay hametrahana ny tanàna maitso... ♦ Sokajian'i Corée-Avaratra ho saribakolin'i Etazonia ny SG firenena Mikambana Antonio Guterres, raha nanameloka ilay tifitra "missile balistique" nataon'ny avy ao Pyongyang...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...