♦Hiditra an-tsehatra amin'ny fitadiavam-bahaolana momba ny raharaham-pirenena ny FFKM, raha ny vaovao efa nivoaka tato ho ato. Ny volana marsa izao no hanomboka ny dingana voalohany amin'izany, raha tsy misy ny fiovàna... ♦ Hiroso amin'ny fitakiana miaraka ny CTM, manoloana ny tsy fisian'ny vahaolana momba ny famaritana ny karama farany ambany. Mbola tsy misy mangirana hatramin'izao ny hitazomana ny karama farany ambany ho 250.000 Ariary... ♦ Namoaka naoty fampahatsiahiana ny Ministeran'ny fahasalam-bahoaka momba ny fanaovana dokam-barotra ny fitsaboana sy ny fanafody nentim-paharazana. Misy ny sazy mihatra amin'ny tsy fanarahana izany, hoy io naoty io...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...