♦ Hiditra an-tanety eo anelanelan'i Anakao sy Androka any Ampanihy anio maraina eo anelanelan'ny amin'ny 9 ora hatramin'ny 12ora antoandro ilay rivodoza Ewetse... ♦ Nankatoavina am-bava nandritry ny filan-kevitry ny ministra omaly talata faha-20 ny volana janoary ireo tetiandrom-panadinam-panjakàna vaovao, tanterihana ny volana jona ihany ny fanadinana CEPE raha ny volana jolay kosa ny BEPC sy ny Bakalôrea... ♦ Jiolahy miisa enina no lavon'ny balan'ny pôlisy avy amin'ny USI (Saka Maity), teny Ambohijanaka-Atsimondrano ny alin'ny alatsinainy 19 janoary 2026, teo...
• Namoaka ny vokatry ny fanadihadiana andiany faharoa momba ny tontolo politika, ny toekarena ary ny sosialy, ny firaisamonim-pirenena CCOC. Nivoitra tamin'izany fa tsy mametraka ny fitokisany amin'ny mpitondra sy ny mpanao politika ny olom-pirenena nanontaniana tao Antananarivo Renivohitra... • Miisa 374 ny fitambaran'ny trangan'ny MPOX hita hatramin'ny omaly alatsinainy. 263 amin'ireo no tranga ahiana ary 111 no tranga voamarina... • Handao an'i Madagasikara tsy ho ela ny ambasadaoro amerikana, Ramatoa Claire Pierangelo. Nanao veloma ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël, tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny Lapam-panjakana Ivoloha, izy androany...
♦ Tsy hahavaha olana ny fijanonana amin'ny "régime par intérim" amin'izao hoy ny antoko Matsilo. Nilaza ny avy amin'ity antoko ity fa vao mainka hiteraka tsy fahamarinan-toerana ny tsy handravàna andrim-panjakàna... ♦ Hisy indray ny famotorana ireo rehetra voatonona tamin'ny angom-baovaon'ny Fitsaràna momba ny fanapoizinana teny Ambohimalaza. Nanazava fohy momba ity raharaha ity ny teo anivon'ny Fitsaràna omaly hariva... ♦ Misy andro ratsy miforona ao atsimon'ny lakandranon'i Mozambika. Voasokajy ho "depression tropicale" izy io, tombanana hitombo hery ka ho lasa rivo-doza anio alina...
♦ Samy nahiditra am-ponja vonjimaika avokoa ny Jeneraly Richard Ravalomanana sy Ramatoa Sahondrarimalala Marie Michèle, taorian'ny fiakaran'izy ireo fampanoavana omaly hariva... ♦ Tapitra ny 18 janoary teo ny fe-potoan-kiasan'ireo Loholona ary tsy misy fanalavana izany, araka ny fampahafantarana avy amin'ny HCC omaly. Manohy ny fitantanan-draharaha ny filoha mpisolo toerana sy ny kestora... ♦ Manome herinandro ireo tokantrano nampiditra jiro tsy ara-dalàna mba hanala izany an-tsitrapo ny tale jeneraly mpisolo toeran'ny JIRAMA. Hatomboka tsy ho ela hoy izy ny "opération" hiadiana amin'ny tsy ara-dalàna...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco