♦ Mitàna ny heviny hatramin'izay dia ny mba hanaovana andro tsy fiasana ny androm-pifidiana ny ONG Tolotsoa. Ny fanentanana ny olona hifidy no laharam-pahamehana hoy  ity fikambanana tsy miankina ity... ♦ Mahazo laka indray ny fisolokiana asa any ivelany. Misy ny fijoroana vavolombelon'ireo lasibatra tamin'izany... ♦ Tsy foana fa nahemotra ary hiova endrika ny fifaninana handraisana mpiraki-draharaham-pitsaràna...  ♦Ahitàna soritr'aretina Covid-19 avokoa ny 89% an'ireo mponina ao Henan, izay faritany fahatelo be mponina indrindra any Chine...

♦ Voafonja 266 no efa afaka nody tany amin'ny fianakaviany ho an'ny fonjan'Antinimora hatramin'ny omaly alahady. Efa nihatra nanomboka ny faran'ny heriandro teo ny didim-panjakàna mamamritra ilay fanalefahan-tsazy sy famelan-tsazy manontolo nomen'ny Filohan'ny Repoblika.... ♦ Herinandro faharoa ao anatin'ny volana janoary izay hanohizana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy eto Madagasikara ity heriandro ity. Malaina amin'ny fanohizana ny asa ny CLRE araka ny tatitra nataon'ny ONG Tolotsoa... ♦ Mihena ho 10 ireo tranga vaovao amin'ny Covid-19 nanomboka ny faran'ny taona hatramin'ny 6 janoary teo. Mbola misy 26 ireo olona tratry ny Covid-19 ary ny 4 no mbola tena manana olana lehibe eo amin'ny fahasalamana...

♦ Maika ny fanarenana ny firenena hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary mbola vonona hitarika izany izy. Izay no nambarany raha niarahaba azy noho ny fahatratrarana ny taona vaovao ny vehivavy TIM... ♦ Mitaky fanitsiana ny karama, hifanaraka amin'ny fiakaran'ny vidm-piainana amin'izao fotoana izao ny Firaisan-kinan'ny Sendika eto Madagasikara na ny SSM. Hanao hetsika fanairana izy ireo ny 15 janoary izao... ♦ Sahirana ny mponina ao Toliara noho ny tsy fisian'ny asa. Manampy trotraka ny fahatongavan'ny mpifindra monina. Miantso ny tompon'andraikitra hijery akaiky ny fomba hisokafan'ny Base Toliara ny Ben'ny Tanànan'ny Kaominina andrenivohitra Vita Dédé Sidison...

♦ Nigadona an-tanindrazana omaly ny filohan'ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara MGR Raharilamboniaina Marie Fabien rehefa avy nanatrika ny fotoam-pandevenana an'ny Papa Emérite Benoît XVI, tany Vatican ny alakamisy lasa teo... ♦ Handray andraikitra amin'ireo minia manafina entam-barotra ny Ministera misahana ny Varotra sy ny Fanjifàna. Fandikan-dalàna izany hoy ny tompon'andraikitra raha nidina ifotony nijery ny vidim-bary omaly... ♦ Mitranga ao Toliara-I ny fifindra-monina an-tanàn-dehibe. Tsy miomana handray ireo mpifindra monina noho ny foto-drafitr'asa tsy ampy nefa ny ao Toliara ka miteraka olana ara-tsôsialy izany hoy ny solombavambahoaka RABEHAJA Jean...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...