♦ Notendren'ny Papa François androany, ho Evekan'ny Diôsezin'Ambanja, i P. Donatien Francis Randriamalala... ♦ Mitory ny gazety Le Monde Afrique, ny orinasa Pharmalagasy noho ny fanelezana vaovao tsy marina mikasika ny CVO+ sy ny fanalam-baraka ny orinasa... ♦ Trangan-javatra mitady hiely eto Madagasikara ny kolikoly ara-pananahana, ka hanairan'ny Transparency International Initiative Madagascar, ny olom-pirenena...

Notendren'ny Papa François androany, ho Evekan'ny Diôsezin'Ambanja, i Mompera Donatien Francis Randriamalala, pretra avy amin'ny fikambanana Missionnaires de Notre-Dame de La Salette.

♦ Mifanalavitra amin'ny zava-misy iainan'ny mpanjifa sy ny iraka nampanaovina an'ireo Tale mpanatanteraka eo anivon'ny orinasa Jirama, ny valin'ny tomban'ezaka natao. Tsy mifandanja amin'ny vola hanarenana ny orinasa Jirama koa ny vokatra azo... ♦ Iray amin'ireo firenena 26 hisitraka famatsiam-bola hanatsarana ny fitaovana fitiliana ny toetrandro, i Madagasikara, nandritra ny COP27... ♦ Tsy manan-kialofana, fa any an'ala kafe ankehitriny, no miezaka monina ny ankamaroan'ireo olona lasibatry ny hay trano tao Evato Farafangana. Miantso ireo malala-tanana ny zanaky ny Faritra Atsimo Atsinanana...

♦ Mbola tsy misy daty raikitra hatramin'izao ny dinika faharoa momba ny "Iles Éparses". Ny fiovam-pitantanana teo anivon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Malagasy, no anisan'ny antony mbola tsy naharaikitra izany... ♦ Olona maherin'ny 30000 no tratran'ny kere any amin'ny Distrikan'i Manakara, raha ny tatitry ny Solombavam-bahoaka avy any an-toerana. Tsy nisy ny vokatry ny tantsaha, noho ny fandalovan'ny rivodoza sy ny hain-tany... ♦ Hampiantrano ny fifaninana iraisam-pirenena eo amin'ny taranja Hand-ball "UHF-Trophy" i Madagasikara ny 24 hatramin'ny 27 nôvambra 2022...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...