♦ Mangataka vola 25 tapitrisa Ariary ny ray aman-drenin'ireo mpianatry ny Lycée Manjakandriana miisa dimy, maty an-drano, tany Mahajanga. Naneho ny heviny ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena manoloana izany... ♦ Namoaka fanambarana ny primatiora fa tsy nisy velively ny fanambarana momba ny fisian'ny disadisa eo amin'ny Antenimieran-doholona sy ny CENI, nataon'ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Tsy tokony takiana foana fa efa voafaritry ny lalàna velona eto amin'ny firenena ny tsy maintsy hanajàn'ny mpitondra Fanjakàna rehetra nifandimby ny mangarahara hoy ny solombavambahoaka Jean Jacques Rabenirina...
♦ Naneho ny heviny momba ny disadisa misy eo amin'ny CENI sy ny Antenimieran-doholona ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabeazana Olom-pirenena... ♦ Efa misy ireo orinasa mitaraina amin'ny fandaniana fanampiny noho ny delestazy ka mampihatra ny karama farafahakeliny ho an'ny mpiasa ao aminy... ♦ Mponina avy amin'ny tokantrano 150 eny amin'ny 67 Ha-Avaratra no tsy mankasitraka fanorenana trano iray eny an-toerana ka nametraka sora-baventy... ♦ Miantso ireo mpitondra Israeliana mba hanao laharam-pahamehana amin'ny fiarovana ireo hopitakt roa hany sisa mijoro ao Gaza ny OMS...
• Nivadika ho adin'andrim-panjakana ilay raharaha fanadihadiana ny Filoha Lefitry ny CENI, momba ny fivoahan'ny tolo-dalana mifehy ny fifidianana. Miantso fifampiresahana ny KMF/Cnoe, manoloana ity raharaha ity... • Miantso ireo parlementera ny Randrana Sendikaly, hanery ny fitondrana mpanatanteraka, hitady vahaolana amin'ny delestazy... • Maro loatra ireo fitarainana momba ny fandraisana mpiasam-panjakana ho an'ireo niofana tamin'ny CRINPF. Nanaotra ny hijerena izany ny Vaomiera miady amin'ny kolikoly eny anivon'ny Antenimieram-pirenena...
♦ Nanambara ny filohan'ny Antenimieran-doholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard fa tsy nitory ny filoha lefitra voalohan'ny CENI Andoniaina Andriamalazaray. ; azo amarinina izany hoy izy... ♦ Nitondra valin-kafatra momba ny fitakian'ny olom-boafidy sasany hanalàna amin'ny maha ministra mpiahy ao amin'ny Faritra Boeny azy ny Ministry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena Maroson Moustapha Abdulah. Nanotrona azy koa ny solombavambahoaka Rahantaniriana Lalao... ♦ Hotohizana ny famatsiana solika tahiry ho an'ny orinasa JIRAMA, araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra, ho fiantohana ny famatsiana herinaratra an'Antananarivo...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco