♦ Tokony entanina hanatona ny fitsarana ireo olona tsy manana kara-panondrom-pirenena ka te hahazo izany, hoy ny antoko VHT na Vonona Hijoro ho an'n Tanindrazana... ♦ Homarihana any Toamasina amin'ny faran'ny herinandro izao ny Andro Eran-tany ho an'ny Angovo. Horesahana mandritra izany ny olana momba ny angovo, indrindra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena... ♦ Mila pôlitika mazava ny fifindra-monina eto Madagasikara, hisorohana ny fahasimban'ny ala andehanan'ny mpifindra monina, hoy ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany...
♦ Hampihatra ny fepetra araka ny lalana ny Minisiteran'ny Fitsarana, manoloana ny fitokonana ataon'ny Mpirakidraharaham-pitsarana. Hihafara amin'ny fahatapahan'ny karama izany, hoy ny Minisitra Rakotozafy François... ♦ Miandrandra olona mahay sy zatra amin'ny diplômasia, hitantana ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny, ny Sendikan'ny mpiasan'ny MAE. Manana olona mahafeno ny fepetra ho amin'izany ny sendika, araka ny nambaran'izy ireo... ♦ Manentana ny mpiompy hanoratra ny ombin'izy ireo ny Zandarimariam-pirenena. Anatin'ny fanisana ny omby ny eto Madagasiakara amin'izao...
♦ Hisy manomboka izao ny fiandrasan-draharaha eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo. Tsy maintsy irosoana ny fitsarana manokana manoloana ireo raharaha tsy azo hialana noho ny hamehana... ♦ Miandrandra olona mahay sy mahafehy ny diplômasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny Sendikan'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Malagasy... ♦ Mihorohoro ny mpiray tanana any amin'ny Fokontany Ambalanomby, Kaominina Morondava, vokatry ny fandrahonana nataon'ny jiolahy tafatsoaka tao amin'ny hôpitaly nitsaboana azy...
♦ Misondro-bidy ny akora fasimainty sy ny cobalt ary nickel eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Hoavy mamirapiratra ho an'ny Madagasikara eo amin'ny lafiny toe-karena izany, ka tokony ho fanararaotra, hoy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, Razafimahefa Herimanana... ♦ Nisantatra ny fivoriana fanomanana ho an'ny fikaonan-doha ho an'ny fampandrosoana lovain-jafy ho an'ireo tany aty amin'ny Ranomasimbe Indiana, na ny ADDOI andiany voalohany, hotanteraha eto Antananarivo ny 4 sy 5 nôvambra 2022, ny mpikarakara omaly... ♦ Nanazava ny herisetra sy ny habibiana mitranga any amin'ny Distrikan'i Belo Ambonin'i Tsiribihina, ny Solombavam-bahoaka Rabemanantsoa Jeannot...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco