♦ Natolotry ny Minisitra Edgard Razafindravahy an-tanana ampahibemaso, ho an'ireo mpandraharaha 70 tany Antalaha, ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hanondrana lavanila... ♦ Handefa taratasy any amin'ny Masoivoho Britanika, hangataka ny hanokafana fanadihadiana momba ilay vola 25 tapitrisa doalara, nanaovan'ny Tale Jeneralin'ny APMF fifanarahana momba ny AIS, niaraka tamin'ny orinasa britanika iray, ny sendikan'ny mpiasan'ny APMF... ♦ Niakatra ho 160 tapitrisa ny ankizy efa miasa eran-tany tamin'ny taona 2020, araka ny fanadihadiana nataon'ny UNICEF sy ny OIT. Aty Afrika ny ankamaroany...

♦ Efa niharan'ny sakan-dalana nataon'ny dahalo tao antampon'Ihorombe ireo mpizaika avy any Ambovombe Androy, nialohan'ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tany Ikelivaho... ♦ Miverina indray ny tsy fandriampahalemana any amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambatoboeny. Nisy hatrany ny fanafihana isan-kalina tao anatin'ny herinandro... ♦ Ny fanovana ny lalana mifehy ny antoko pôlitika sy ny fanaovana pôlitika ihany no ahafahana misoroka ny krizy ateraky ny fifidianana, hoy ny Solombavam-bahoaka teo aloha, ny Dr. Andriambololona Barson Claude...

♦ Mpamilin'ny solontenan'i Madagasikara eo anivon'ny UNESCO any Paris, fa tsy olona eto Madagasikara no naka ny sarin'ny "étiquette"-n'ny valizin'ny Filohan'ny Repoblika. Enjehina noho ny fanohintohinana ny ain'ny Filoha sy ny fianakaviany izy... ♦ Mbola manamafy ny antsony mba hisian'ny dinika eo amin'ireo mpisehatra pôlitika ny Masoivohon'ny Vondrona Eorôpeanina eto Madagasikara, mialoha ny handaozany an'i Madagasikara amin'ny alatsinainy izao... ♦ Omen'ny CENI alalana malalaka hanao fitsirihana ny lisitry ny mpifidy, ireo herivelona rehetra eto amin'ny firenena...

♦ Mpiasan'ny UNESCO tany an-dafy fa tsy olona eto Madagasikara no naka, ka niparitahan'ilay sary misy ny "étiquette"-n'ny valizin'ny Filoham-pirenena, nandritra ny diany tany ivelany. Nanazava ny momba ity raharaha ity androany, ny Talen'ny kabinetran'ny Fiadidiana ny Repoblika... ♦ Mbola manamafy ny antsony hisian'ny dinika eo amin'ireo mpisehatra pôlitika, ny Masoivohon'ny Vondrona Eorôpeanina eto amintsika. Nambarany fa zava-dehibe ny mifampiresaka, mialohan'ny fifidianana amin'ny taona 2023... ♦ Handray fepetra hisorohana ny tsy fitovian-kevitra miainga amin'ny firafitry ny lisitry ny mpifidy ny CENI...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...