♦ Tsy mety intsony, hoy ny "Nouvelle Plateforme pour la Continuité", ny fifanilihana andraikitra amin'ny filazana fa ireo mpitondra nifandimby teto hatramin'izay no mampahantra ny vahoaka sy ny firenena... ♦ Nanomboka androany ny foara iraisam-pirenena ho an'ny toekarena eny ambanivohitra eto Madagasikara, na ny FIER MADA andiany faha-23... ♦ Nanolotra mari-pankasitrahana ho azy enina mianadahy nandrombaka ny tompon-dakan'i Afrika teo amin'ny taranja judo ny taona 2022 sy ny fibatana fonjam-by ny taona 2021, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina...
♦ Mbola manana tahirin-tsolika ampiasaina mandritra ny tapa-bolana isika eto Antananarivo. Ampy ihany koa ny manerana ny nosy, ka tsy misy atahorana sy tokony hampikoropaka ny manjifa, satria ao anatin'izay, dia efa tonga indray ny famatsiana manaraka... ♦ Tsy mbola misy eto Madagasikara, fa efa valan'aretina any amin'ny firenena sasany any ivelany, ny Variole du singe. Na izany aza, efa miomana ny amin'ny ho fiatrehana izany ny eo anivon'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Mbola karohin'ny mpitandro filaminana hatramin'izao Andriamatoa Patou, zanaky ny solombavambahoaka voafidy tany Mahabo noho ny fanononan'ny jiolahy antsoina hoe SOJA ny anarany ho mpiray tsikombakomba aminy...
♦ Ny fitsarana avo na ny ny Haute Cours de Justice fa tsy ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana "HCC" no manana ny fahefana amin'ny fampiatoana amin'ny asany ny filoham-pirenena rehefa mahita izy ireo fa misy tokoa ny fanitsakitsahana lalam-panorenana miverimberina ataony hoy ny HCC... ♦ Fito volana taorian'ny fianjeran'ilay angidimby nitondra ny SG tany Toamasina, mbola tsy fantatra mazava hatramin'izao ny tena antony nahatonga ny loza... ♦ Tsy nandray anjara tamin'ilay fikaonandoham-pirenena momba ny fanabeazana, notanterahina nandritra ny 2 andro, teny amin'ny ivon-toerana fandraisana fivoriana iraisam-pirenena Ivato ny vovonam-pitantanana nasiônaly ny fampianarana tsy miankina amin'ny fanjakana...
♦ Tsy afaka mitsara ny fitoriana napetraky ny fikambanana Gasy Leo, teny Ambohidahy tamin'ny herinandro lasa teo ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Ny Fitsarana Avo no afaka mitsara ny Filoham-pirenena fa tsy ny HCC, hoy ny Filohany, Rakotoarisoa Florent... ♦ Mino sy manantena ny mpiasa nitokona tao amin'n Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, fa hisy vahaolana maharitra ny fifampidinihana miaraka amin'ny Fiadidiana ny Repoblika. Nampiato ny fitokonany nanomboka andraony ny sendikan'ny mpiasa miisa roa...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco