♦ Tsy afaka mitsara ny fitoriana napetraky ny fikambanana Gasy Leo, teny Ambohidahy tamin'ny herinandro lasa teo ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Ny Fitsarana Avo no afaka mitsara ny Filoham-pirenena fa tsy ny HCC, hoy ny Filohany, Rakotoarisoa Florent... ♦ Mino sy manantena ny mpiasa nitokona tao amin'n Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, fa hisy vahaolana maharitra ny fifampidinihana miaraka amin'ny Fiadidiana ny Repoblika. Nampiato ny fitokonany nanomboka andraony ny sendikan'ny mpiasa miisa roa...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...