♦ Nampidi-bola 2800 miliara Ariary mahery, ho antsika Malagasy, ny fanondranana ny vokatry ny harena an-kibon'ny tany tamin'ny taona 2019... ♦ Hampahafantarina ny vahoaka Malagasy amin'ny fomba mangarahara ny andraikitra sy ny tontolo rehetra mahakasika ny Tahirim-bolam-panjakana, anatin'ny fanombohana ny fanamarihana ny faha-60 taonany... ♦ Niakatra nanomboka androany ny saran-dalana amin'ny fitateram-bahoaka eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Saika nampihatra ny fampitomboana 100 Ariary avokoa ny ankamaroany...
♦ Nihatra nanomboka ny maraina teo ny saran-dalana 600 Ariary ao an-drenivohitra sy ny fiakarana 100Ariary ho an'ny zotra manodidina. Efa niroso tamin'izany avokoa ny ankamaroan'ny zotra rehetra, taorian'ny hevitra tapaka, omaly... ♦ Milaza fa mahita firenena vahiny vonona hamatsy solika an'i Madagasikara amin'ny vidiny mirary ny antoko Otrikafo. Miankina amin'ny finiavana politikan'ny mpitondra hiala amin'ny gejan'ireo kaompanian-tsolika misy eto amintsika no hahatanteraka izany, hoy izy ireo... ♦ Mitaraina amin'ny fitondram-panjakàna ireo fokonolona any Ambalalova-Avaratra, Ambalavao-Tsienimparihy. Alain'olom-bitsy ny tanin'izy ireo 8 ha, araka ny fitarainan'ny solontenam-pokonolona tonga aty an-drenivohitra...
♦ Namoaka fanambaràna ny antoko MMM, manoloana ny fivoaran'ny toe-draharaham-pirenena. Manana zo haneho hevitra an-kalalahana ny vahoaka, nefa tsy azo ekena ny fihoaram-pefy, hoy ny fanambaràna... ♦ Tovolahy iray no nidoboka am-ponja rehefa nosamborina teny amin'ny By-Pass tamin'ny fandalovan'ny fiara nitondra ny filoham-pirenena. Nanao fihetsika nanondro ambany ny ankihiben-tanany no voalaza fa nisamborana azy... ♦ Tsy hita ary mbola karohina hatramin'izao ny zanaky ny solombavambahoakan'i Mahabo, tokony niatrika famotorana azy tao Morondava ny herinandro teo. Voatonona anarana tamin'ny fiarahana tamin'i Soja, ilay dahalo raindahiny tany Mahabo izy...
♦ Hisorondrotra 100 Ariary mitaha amin'ny teo aloha ny saran'ny fitanteram-bahoaka eto Antananarivo manomboka anio. Izay no tapaka tamin'ny fihaonan'ny mpitatitra sy ny filoha teny amin'ny Lapan'Ambohitsirohitra omaly, manoloana ny fiakaran'ny vidin-tsolika... ♦ Nisondrotra nanomboka omaly ny saran-dalana amin'ny zotra nasiônaly miainga eto Antananarivo. Misy ireo efa tafakatra 140 000 Ariary, taorian'ny fisondrotan'ny vidin'ny solika, omaly... ♦ Miantso ny fitondràna hanao ezaka hisian'ny fandriam-pahalemana eto amintsika ny kardinaly Désiré Tsarahazana. Handositra an-drenivohitra avokoa ny tantsaha, hoy izy, raha manao hatsirambina isika...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco