• Nanda ny filazana azy ireo ho nametra-pialana ny mpanolotsaina avo ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Vonona hiala amin'ny toerany nefa izy ireo raha izay no ilaina... • Mitaky ny hanaovana ny fikaonan-dohan'ny olom-pirenena eto amintsika. Tokony hiainga any amin'ny Kaominina izany, hoy ny KMF-CNOE... • Ahato aloha ny fandravana trano eny Anosibe Andrefana Voalohany, hoy ny Colonel Randrianirina Michaël, noho ny maha ankatoky ny fety ny nanaovana izany...

♦ Tonga eny Ambohidahy hifampiresaka nanomboka tamin'ny maraina teo ireo mpikambana telo eo anivon'ny HCC, nanambara fa nametra-pialàna. Nilaza izy ireo fa teny amin'ny Facebook no nahita io taratasy milaza ny fametraham-pialàna io... ♦ Natsangana ny filan-kevitry ny olon-kendry sy ny "comité d'expert", ho fiatrehana ny fanavaozana sy ny fikaonandoham-pirenena. Notendrena nandritra ny filan-kevitry ny Ministra omaly ireo mpikambana ao anatin'izany... ♦ Natao ho andro tsy fiasàna nefa handraisan-karama ny zoma 2 janoary 2026 izao. Nankatoavina omaly ny didim-panjakàna mampanan-kery izany manerana ny tanin'i Repoblikan'i Madagasikara...

♦ Maromaro ireo mpanao politika nahazo andraikitra ambony eo anivon'ny fiadidiana ny fanavaozana. Anisan'ireo voatendry amin'izany toerana izany, Clémence Raharinirina sy Babà Rakotoarisoa... ♦ Mandà ny filazàna azy ireo fa nametra-pialàna ireo mpikambana miisa 3 eo anivon'ny HCC. Namoaka fanambarana ôfisialy izy ireo, omaly hariva... ♦ Miantso fitoniana pôlitika amin'izao ankatoky ny fetin'ny Noely izao ny lehiben'ny mpanohitra eny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nanambara ny fahatratrarany ny lehiben'ny vondrona mpampihorohoro Fanjakàna Islamika i Turquie omaly, isan'izany i Mehmet Gören...

• Miisa telo ireo mpikamban'ny HCC voalaza ho nametra-pialana ary efa nosoloina... • Niaiky amin'ny fisian'ny olana samihafa amin'ny famatsian-drano ao an-drenivohitra ny orinasa JIRAMA... • Nomena baiko tsy handefitra amin'ireo mpanakorontana eny anivon'ny fiaraha-monina ny polisy, amini'zao fety izao...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...