♦ Nakan-kevitra sy nankatoavin'ny mpisehatra samihafa nandritra ny atrik'asa notanterahana teny amin'ny Hôtel Carlton Anosy, ny paikadim-pirenena hampivoarana ny rojom-pihariana amin'ny famokarana sakafo mahavelona sy be otrikaina eto amintsika... ♦ Volamena 1 taonina mahery no voaangon'ny Banky Foiben'i Madagasikara hampitomboana ny tahirim-bolamena eto amintsika, havadika hanan-danja amin'ny sehatry ny fifanakalozana ara-bola, hampakarana ny sandan'ny vola Ariary ireo volamena ireo...

♦ Tena ialina eto amin'ny firenena ny fifampiresahana saingy mila faritana mazava sy mitovy ny tanjona amin'izany, hoy ny CFM... ♦ Hitondra ainga vao eo amin'ny tontolon'ny fizahan-tany ny fisokafan'ny seranam-piaramanidina any Nosy Be, saingy tsy azo atao ambanin-javatra ny fitandroana ny fahsalamana, hoy ny Loholona teo aloha, Joseph Yoland... ♦ Ny 85%-n'ireo asa fananganana trano fonenana vaovao eny Imerintsiatosika kosa no efa vita, hoy ny tompon'andrikitra miadidy ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana...

♦ Nahazo fahafahana vonjy maika i Clémence Raharinirina, tao aorian'ny fiakarany Fampanoavana teny amin'ny Fitsarana Anosy omaly. Amin'ny 3 mey izao ny fotoam-pitsarana azy... ♦ Miverina indray ny disadisa eo amin'ny Ben'ny Tananan'ny Kaominina Anosiala sy ireo mpivarotra ao anatin'ny fikambanana FIMA. Hiverina tsy ho ela eny amin'ny Fitsarana ny raharaha... ♦ Nitondra fanazavana momba ireo raharaha mafampana sy nanabe resaka teto amin'ny firenena kosa ny Talen'ny serasera eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika...

♦ Ny tsy fananantsika politika mitsinjo lavitra amin'ny lafiny toe-karena no isan'ny mampidangana ny vidim-piainana ankehitriny hoy Andriamatoa Danny Rakotoson, mpandraharaha... ♦ Hamadika ny toe-karena eny ambanivohitra any amin'ny lafiny tsara ny fampiroboroboana ny famokarana ara-biolojia. Fahaefatra eran-tany mpanondrana vokatra ara-biolojia isika ankehitriny... ♦ Mifampizara traik'efa ny sekolim-pirenena manofana mpandraharahan'ny fonja eto Madagasikara na ny ENAP sy ny sekolim-pirenena frantsay manofana mpandraharahan'ny fonja. Tontosa tany Antetezambaro-Toamasina ny atrik'asa momba izany... 

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...