♦ Mbola tsy hisy ireo mpianatra eny amin'ny Sekoly Katôlika, hifidy ny "Série OSE" amin'ity Bakalôrea ity... ♦ Malailay fonosana no sady sarotra ampiana ny fitondrana mijoro ankehitriny, hoy Sendikà SECES. Nanapa-kevitra ny hiverina hiasa ny Birao nasionaly na dia tsy nisy varany aza ny fitakiana... ♦ Tsy niandry ela ny fiverenan'ny herinaratra teny Itaosy, raha vao nanomboka nihetsika ireo mponina...
♦ Natomboka androany tetsy amin'ny CCI Ivato ilay fikaonan-doham-pirenena momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hapetraka ny "Guichet agricole", hanampiana ny tantsaha mba ho afaka hisambo-bola, hoy ny Filoham-pirenena, raha nanokatra izany tamin'ny fomba ôfisialy... ♦ Hita faty androany tokony ho tamin'ny 2 ora maraina, ilay tovovavy 21 taona, nokarohana tany amin'ny Kaominina Sabotsy Anjiro Moramanga. Nanitsy ny fianakaviany fa famonoana no natao taminy fa tsy fakana an-keriny...
♦ Tanterahana ety amin'ny Foibe fandraisana fivoriana iraisam-pirenena na CCI Ivato, mandritra ny roa andro, ny fikaonan-doham-pirenena ho an'ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nanokatra izany, androany maraina, ny Filoham-pirenena... ♦ Mitaraina ireo mpamokatra lavanila any amin'ny Faritra Diana, fa tsy voahaja ny vidin'ny lavanila maitso, 75000 Ariary ny kilao, izay noferan'ny fitondram-panjakana... ♦ Mampanantena ny tsy hisian'ny fahatapahan'ny herinaratra mandritra ny fetin'ny asaramanitra, ny ao amin'ny orinasa Jirama...
♦ Voatsipaka teny Tsimbazaza ny tolo-dalana fanombanana ny politikam-panjakana naroson'ny Solombavam-bahoaka Johasy Eléonore. Izy irery ihany no nandany izany tao anatin'ny fivoriana itambaram-be... ♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay rangahy voatondro ho namono zazalahy kely teny Sabotsy Namehana. Nalefa eny Antanimora kosa ny renin'ity rangahy ity... ♦ Tetikasa roa sosona no vita sonia teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha androany. Iray amin'izany ny tetikasa fanatsarana ny fisitrahana rano fisotro madio eto Madagasikara, izay mitentina 220 tapitrisa dolara...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco