♦ Tsy fotoana tokony hisian'ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta eny anivon'ny Antenimieram-pirenena izao hoy ny solombavambahoaka Rakotoarisoa Johny. Fitsipaham-pitokisana kasaina hatao mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany manomboka amin'ny talata 03 mey izao... ♦ Mitaky ny hirosoana amin'ny fikaonan-doham-pirenena ho fanatanterahana ny fanorenana ifotony ny fikambanana FIAM. Tsy maintsy hatao izany hoy izy ireo raha tiana ny hamaha ireo olana ara-tsôsialy sy toe-karena misy ankehitriny... ♦ Mitaky karama farany ambany 300.000Ariary ny Randrana Sendikaly. Tsy ampy ny fisondrotan-karama 10% manoloana ny fisondrotry ny vidim-piainana misy ankehitriny...

♦ Tena misy ilay fikasàna hitsipàham-pitokisana ny governemanta eny amin'ny Antenimieram-pirenena, raha ny filazan'ny Solombavambahoaka. Amin'ny fivoriana ara-potoana voalohany izay hanomboka amin'io herinandro io no voalaza fa hanaovana izany... ♦ Mpanolontsain'ny tanànan'Antananarivo miisa dimy indray androany no nampanantsoina teny anivon'ny sampan-draharaha misahana ny heloka an'habaka eny Anosy, nohenoin'ny polisy momba ny filazàna vaovao tamin'ny facebook... ♦ Tokony hampanarahana ny fenitra aty Afrika ny fampiakarana karama ho an'ny sehatra tsy miankina, raha ny hevitry ny Randrana Sendikaly. Miantso ny filoham-pirenena hampiakatra ny karama farany ambany ho 300.000Ariary ity vondrona ity androany...

♦ Fanapahan-kevitra lehibe ary isan'ny endrika iray entin'ny fitondram-panjakana hiatrehana ny krizy misy eran-tany ankehitriny ny fampiakarana ny karaman'ny mpiasam-panjakana sy ny fandinihana ihany koa ny an'ny sehatra tsy miankina... ♦ Ny 80%-ny PPN ampiasain'ny Malagasy dia mbola afarana avokoa. amin'ity taona ity ary fanodinam-bokatra hatrany amin'ny 75 no hapetraka mba hialana amin'izany... ♦ Andalam-pivoahana an-dranomasina ao atsimon'i Farafangàna ny ivon'ny sisan-drahona miaraka amin'ny rivo-doza Jasmine...

♦ Tsisy olana eo amin'ny solombavambahoakan'Ikongo, sy ny filoha Andry Rajoelina. Anatin'ny antoko TGV soa aman-tsara Andriamatoa Razafitsihandraofa Brunelle, ary manabevoho izany antoko izany, araka ny nambarany omaly... ♦ Tsy ho ampy iatrehana ny fiakaran'ny vidim-piainana ny tahan'ny fiakaran'ny karama raha mbola latsaky ny 30%, hoy ny Vondron'ny mpiasa malagasy... ♦ Hihatra amin'i Madagasikara ny sazy amin'ity taona ity raha mbola tsy tomombana ny fampiharana ny fepetra iraisam-pirenena amin'ny fivezivezena ara-bola tsy ara-dalàna, toa ny famatsiam-bola sy fampiasam-bola amin'ny ady amin'ny asa fampihorohoroana, hoy ny Transparency International...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...