♦ Nahazo fiara avy amin'ny filoham-pirenena ny Vovonam-pirenena katôlikan'ny tanora, hanomanana ny JMJ Mada andiany faha-10 hotanterahina any Antsirabe. Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy omaly ilay fiara... ♦ Handalo fankatoavana tsy ho ela eny amin'ny antenimieram-pirenena ny findramam-bola hanatanterahana ny tetik'asa PRIRTIM1. Heverina fa hahafoana tanteraka ny fahatapahan-jiro matetika ho an'Antananarivo sy ny manodidina ny fahatanterahan'izany... ♦ Mbola hanohy ny fanakatonana ny Anjerimanontolo eny Ankatso ireo mpiasa sy mpandraharahan'ny Oniversité, noho ny tsy fandraisana karama. Tsy nahafa-po azy ireo ny vahaolana nentin'ny Ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony...
♦ Nahazo fiara tsy mataho-dalana vaovao avy amin'ny Filohan'ny Repoblika, ny mpikarakara ny JMJ Mada-10, hanamaivanana ny fanomanana rehetra... ♦ Ho foana tanteraka ny tondra-drano ao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, rehefa vita ny fanadiovana sy ny fanitarana ireo lakan-drano mamoaka ny rano... ♦ Mbola nanohy ny fanakatonana ny Oniversite eny Ankatso androany, ireo mpiasa sy mpandraharahan'ny oniversite ao anatin'ny sendikan'ny SPATUT, manampy trotraka ny hetsiky ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka...
♦ HIkatona tanteraka afaka enina andro ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny RALE... ♦ Miantso ny fahatongavan-tsainan'ireo solombavambahoaka namany, ny solombavambahoaka Rakotondrasoa Fetra manoloana ny fanetsehana ireo antontataratasy eo am-pelatanan'ny fitsarana avo... ♦ Maro ireo mpanjifan'ny Jirama mitaraina fa tafakatra avo telo heny amin'ny vola aloa isam-bolana ny fandaniana jiro sy rano... ♦ Miaro ny tanindrazana ireo tafika Russe miatrika ny ady any Ukraine hoy Vladimir Poutine...
♦ Miditra amin'ny herinandro fahatelo ny Oniversite maty amin'ity herinandro vaovao ity. Fanapahana mifototra amin'ny antony politika no andikàn'ny Seces ny fandavan'ny HCC ny fizakantenan'ny Oniversite... ♦ Hiverina anio indray ny fanadihadian'ny mpitsara ireo mpanolontsaina monisipaly eo anivon'ny Kaominina Antananarivo renivohitra, ahitàna mpanolontsaina monisipaly IRK iray sy TIM miisa 6... ♦ Roa ireo lavo tsy nahatohitra ny Covid-19 tao anatin'ny herinandro, nitombo isa koa ny tranga vaovao... ♦ Hampitsahatra ny fanafarana solika avy any Rosia ny G7...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco