♦ Vinavinan'ny fitondram-panjakana ny hanakatona ny eny Andralanitra, tsy hanariana ny fakon'ny Renivohitra intsony... ♦ Nampahafantarina teny Tsimbazaza, ireo fomba ahafana mitahiry ny ranonorana amin'ny fotoam-pahavaratra. Tadiavina ihany koa ny paikady hanaparitahana ny teknika... ♦ Miady amin'ny bibikely mpandrava voly kosa ny any amin'ny Faritra Androy amin'izao fotoana izao. Ny 50%-n'ny vokatra no azo andrandraina noho ny hafitsok'ireo bibikely mpandrava voly ireo...
♦ Nakan-kevitra sy nankatoavin'ny mpisehatra samihafa nandritra ny atrik'asa notanterahana teny amin'ny Hôtel Carlton Anosy, ny paikadim-pirenena hampivoarana ny rojom-pihariana amin'ny famokarana sakafo mahavelona sy be otrikaina eto amintsika... ♦ Volamena 1 taonina mahery no voaangon'ny Banky Foiben'i Madagasikara hampitomboana ny tahirim-bolamena eto amintsika, havadika hanan-danja amin'ny sehatry ny fifanakalozana ara-bola, hampakarana ny sandan'ny vola Ariary ireo volamena ireo...
♦ Tena ialina eto amin'ny firenena ny fifampiresahana saingy mila faritana mazava sy mitovy ny tanjona amin'izany, hoy ny CFM... ♦ Hitondra ainga vao eo amin'ny tontolon'ny fizahan-tany ny fisokafan'ny seranam-piaramanidina any Nosy Be, saingy tsy azo atao ambanin-javatra ny fitandroana ny fahsalamana, hoy ny Loholona teo aloha, Joseph Yoland... ♦ Ny 85%-n'ireo asa fananganana trano fonenana vaovao eny Imerintsiatosika kosa no efa vita, hoy ny tompon'andrikitra miadidy ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana...
♦ Nahazo fahafahana vonjy maika i Clémence Raharinirina, tao aorian'ny fiakarany Fampanoavana teny amin'ny Fitsarana Anosy omaly. Amin'ny 3 mey izao ny fotoam-pitsarana azy... ♦ Miverina indray ny disadisa eo amin'ny Ben'ny Tananan'ny Kaominina Anosiala sy ireo mpivarotra ao anatin'ny fikambanana FIMA. Hiverina tsy ho ela eny amin'ny Fitsarana ny raharaha... ♦ Nitondra fanazavana momba ireo raharaha mafampana sy nanabe resaka teto amin'ny firenena kosa ny Talen'ny serasera eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco