♦ Taonan'ny asa ity taona ity ary tsy maintsy hisy ny fanitsiana ato ka ilaina fifanomezan-tanana, hoy ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, androany... ♦ Miandrandra fandraisana andraikitra sy fanemorana ny fidirana eny amin'ny oniversitem-panjakana koa ny Sendikan'ny SECES, sampana Antananarivo... ♦ Manodidina ny 1800 tafo ireo olona tandindomin-doza eny Ampamarinana ka nametrahan'ny BNGRC saina mena androany...
♦ Azo lazaina ho marefo ny mpitondra, hoy ny antoko Otrikafo raha naneho hevitra momba ilay volamena 49 kilao tratra tatsy amin'ny nosy Comores, matoa mbola mitohy ny gaboraraka amin'ny fanondranana an-tsokosoko ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Nodimandry omaly teo amin'ny faha-95 taonany Rakotondranaivo André, mpampianatra, mpanoratra boky fampianarana ary poeta... ♦ Manana sehatr'asa hiarovana ny tontolo iainana ny Fanilon'i Madagasikara. Fandaharam-panabeazana tanterahan'izy ireo ny ady amin'ny plastika...
♦ Mihemotra ho amin'ny alatsinainy 17 janoary 2022 ny fidiran'ny mpianatra eto amin'ny Faritra Analamanga... ♦ Miakatra ny renirano mamakivaky ny lemak'Antananarivo, anatin'ny loko mavo na filazana manambana ho an'ny tondra-drano ireo Kaominina lalovan'ny reniranon'i Sisaony... ♦ Firarian'ny antoko RDS, tarihin'Andriamatoa Fetison Rakoto Andrianirina, amin'izao taona vaovao izao ny hahatonga ny Malagasy tsirairay hisitraka ny zava-tsoan'ny firenena ara-drariny...
♦ Mihemotra amin'ny alatsinainy 17 janoary 2022 ny fidiran'ny mpianatra, ho an'ny eto amin'ny Faritra Analamanga. Mihatra amin'ny sekoly miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana izany teny midina navoakan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena izany... ♦ Miakatra ny renirano mamakivaky ny lemak'Antananarivo, anatin'ny loko mavo na ny filazana loza manambana ireo Kaominina andalovan'ny reniranon'i Sisaony...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco