• Mihena hatrany ny herin'ilay rivodoza Chido. Tany amin'ny 135 km avaratra atsinananan'Antsiranana Voalohany no nisy ny foibeny tamin'ny 11 ora antoandro teo...
  • Samy mihiaka fandresena avokoa ny kandidàn'ny IRMAR sy ny kandidàn'ny TIM ao Antananarivo Renivohitra, eo am-piandrasana ny vokatry ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina farany teo...
  • Voamarina ny fisian'ny haromotana any amin'ny Faritan'i Toamasina, tao aorian'ny fitiliana natao teny amin'ny Institut Pasteur de Madagascar...

  • Nihena ny herin'ilay rivodoza Chido tao anatin'ny adiny enina farany. Na izany aza mbola sokajiana ho rivodoza mahery vaika hatrany izy. Tany amin'ny 251 km avaratra atsinananan'Antsiranana Voalohany no nisy ny foibeny tamin'ny telo ora maraina teo...
  • Milaza ny tsy hanaiky lembenana intsony antoko TIM, tao aorian'ny fifidianana teo. Nanjakan'ny barofo ny fifidianana, hoy Andriamatoa Ravalomanana Marc...
  • Avo roa heny ny vola nampidirin'ny asa tanana ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakna tato anatin'ny efa-taona. Azo andikana ny lanjan'ny asa tanana malagasy izany, hoy ny Minisitera mpiahy...

  • Tany amin'ny 400 km atsinanana somary avaratra atsinananan'Antsiranana no nisy ny foiben'ilay rivodoza Chido, ny tolakandro teo. Nisy fiovana ireo filazana loza fanairana sy manambana ho an'ny Faritra Diana...
  • Barofo no nisy tamin'ny fifidianana omaly, fa tsy tsy fahatomombanana fotsiny, hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana. Nilaza ny tsy haniky lembenana izy, ka niantso ireo mpanara-dia hiray hina...
  • Nahatratra 54 ireo nametraka antontan-taratasy maniry ny ho mpanazatra ny Barea. Teratany vahiny avokoa ny maro an'isa amin'izy ireo, hoy ny vaovao niparitaka androany...

  • Nitombo hery atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana ka lasa rivo-doza mahery vaika i Chido. Tany amin'ny 610 km avaratra atsinanan'Antsiranana no nisy ny foibeny tamin'ny 9 ora maraina teo miaraka amin'ny rivotra 210 km/ora, arahana tafiotra 295 km/ora manakaiky ny foibeny...
  • Nahitam-bokatra ny sehatr'asa nataon'ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, fidiovana ary fanadiovana na ny OSCEAH. Hivoaka amin'ity volana desambra ity ny pôlitika narafitr'izy ireo momba ny rano...
  • Miasa amin'ny Faritra 12 eto Madagasikara ilay fandaharan'asa vaovao vatsian'ny FIDA vola. Tokantrano 130.000 no hisitraka tombontsoa amin'ny PROGRES...
  • Mpanao gazety miisa 54 no maty amperin'asa tamin'ity taona ity. Tompon'antoka tamin'ny fahafatesan'ny 18 tamin'ireo ny tafika israelianina hoy RSF...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...