♦ Niakatra fitsarana nanomboka omaly teny Anosy, hitohy anio ilay raharaha Apollo 21, fikasàna hamono olom-panjakàna ambony eto amin'ny firenena. Nibahan-toerana ny famakiana ny fiampangàna ireo olona voarohirohy... ♦ Tafatsangana ny birao maharitra vaovaon'ny CENI, lany filoha Andriamatoa Dama Andrianarisedo... ♦ Hakàna hevitra amin'ny fanatanterahana ilay tetikasa Téléphérique ao an-drenivohitra ny olom-pirenena, hanomboka anio ny tombana ara-tontolo iainana hiarahana amin'iny O.N.E...

♦ Niakatra fitsarana androany teny Anosy ny raharaha Apollo 21... ♦ Nahemotra ho amin'ny fotoana manaraka indray ny fotoam-pitsarana an'i Mbola Rajaonah, izay saika notanterahana androany teny amin'ny PAC... ♦ Nampahafantarina androany teny amin'ny Foiben'ny CENI teny Alarobia, ireo mpikambana vaovao ao ami'ny Birao maharitry ny CENI...

♦ Nanomboka androany ny fitsaràna ny raharaha Apollo21, dia ilay fikasana hifofo ny ain'ny filoham-pirenena sy mpitondra ambony hafa. Hentitra ny fitandroana ny filaminana eny Anosy... ♦ Mila fanatsaràna ny sehatra ifanakalozana momba ny fanabeazana eto amintsika hoy ny avy amin'ny sekoly tsy miankina... ♦ Tsy mankasitraka amin'ny fiverenana amin'ny fihibohana ny ankamaroan'ny malagasy nanaovan'ny fikambanana tsy miankina iray fanadihadiana manoloana ny firongatry ny Covid-19, ankehitriny...

♦ Hiakatra fitsaràna anio raha tsy misy ny fiovàna ny raharaha Apollo 21, nitranga ny volana jolay lasa teo... ♦ Miverina mirongatra indray amin'izao ankatoky ny fetin'ny Noely sy ny faran'ny taona izao ny Covid eto Madagasikara. 470 ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina tamin'ny herinandro teo, Antananarivo no ivony... ♦ Mitaky ny fametraham-pialàn'ny mpitantana tsy mahavaha ny olan'ny vahoaka ny RMDM. Tontosa tamin'ny sabotsy ny fanangonana fanampiana ho an'ireo may trano tao Farafangàna...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...