• “Ho aminareo anie ny fiadanana”, izay no teny firarian-tsoa voalohany nataon'ny Papa Léon XIV, raha niseho vahoaka voalohany tao Vatican izy. Niarahaba manokana an'i Roma sy i Chiclayo ihany koa izy... • Olona mahafehy ny didy aman-dalana, ny lafiny teknika sy siantifika no handrafitra ny delegasiona hiatrika ilay fivorian'ny vaomiera manokana momba ireo nosy manodidina any Frantsa ny 30 jona 2025... • Fikambanana Mazoto sy Zanadriaka : Nanao fanambarana omaly, nilaza fa tsy hanaiky hatramin'ny farany ny hirosoan'ny tetikasa Base Toliara...
• Voafidy ho Papa faha-267 ny Kardinaly Robert Francis Prevost. Nisafidy ny anarana Léon faha-14 izy amin'izao nahavoafidy azy ho Papa izao... • Nandefa teny fisaorana an'Andriamanitra sy firarian-tsoa ho an'ny Papa Léon XIV, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ary manentana ny kristianina mba hivavaka ho an'ity Dimbin'i Piera ity... • Maniry hitondra fanitsiana amina sehatr'asa vitsivitsy ho an'ny tetibolam-panjakana 2025 ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Arivonimamo, Rajerison Antoine. Efa nankatoavina tamin'ny filankevitry ny minisitra farany teo ny tsy hisian'izay fanitsinana izay, mandritra izao fivorian'ny antenimiera mpanao lalana izao...
• Setroka fotsy no nivoaka tamin'ny fantson-tsetroky ny fifidianana Papa, tamin'ny 7 ora hariva teo. Nanakoako tao Vatican ny lakolosy, izay midika fa voafidy ny Papa faha-267, tao aorian'ny latsa-bato ny tolakandro teo... • Mafampana indray ny fifamaliana an-tserasera eo amin'ireo mpomba sy mpanohitra ny fitondrana, niainga tamin'ilay resaka “hozatra” iny. Hitondra ny fanehoan-keviny ny avy amin'ny RMDM... • Tsy hasiam-panitsiana ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana taona 2025. Maniry ny hitondra fanitsiana teboka vitsivisty anatin'izany anefa ny Solombavam-bahoakan'ny Antoko Fivoi...
♦ Misitraka famatsiam-bola 10 tapitrisa Dôlara hiatrehana ny fiovan'ny toetr'andro, avy amin'ny tahirim-bola maitso i Madagasikara... ♦ Miandrandra mafy ny hihaona mivantana amin'ny mpikamban'ny governemanta ny ankamaroan'ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza, amin'izao fivoriana ara-potoana faharoa izao... ♦ Olona dimy mpanao trafikanà rongony no efa voasambotra tany amin'ny Distrikan'i Betroka, ary an-taoniny ireo rongony no efa tratra, vokatry ny ezaky ny zandary any an-toerana... ♦ Ho fantatra afaka fotoana fohy ny vokatry ny fifidianana Papa vaovao ataon'ireo Kardinaly miisa 133 ao amin'ny Chapelle Sixtine...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco