♦ Fahadisoan-kevitra ny filazàna ny mbola hitakiana ireo nosy manodidina, hoy ny Pr Raymond Ranjeva. Nambarany fa efa neken'ny Firenena Mikambana fa an'i Madagasikara ireo nosy ireo... ♦ Mahazo vahana tato ho ato ny fisian'ny didim-pitsaràna hosoka eo anivon'ny Fitsaràna Ambaratonga voalohany Antananarivo... ♦ Ny 4,8%-ny mpiasa amin'ny sehatra tsy manara-drafitra dia amin'ny asa fanorenana avokoa, araka ny fanadihadian'ny ONEF, notohanan'ny OIT...
♦ Efa neken'ny Firenena Mikambana fa an'i Madagasikara ireo nosy manodidina, ka fahadisoan-kevitra ny filazana ny mbola fitakiana ireo nosy ireo, hoy ny Profesora Raymond Ranjeva... ♦ Tranga roa na telo isan-kerinandro no tra-tehaka mahakasika ny didy hosoka eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo. Nisy didim-pitsarana hosoka tratra indray androany...
♦ Faritra maro eto amin'ny nosy ankehitriny no misedra olana amin'ny fahazoana rano fisotro madio. Isan'izany ny any Fianarantsoa. Ny fanovana ny toe-tsaina hiaro ny tontolo iainana no vahaolana maharitra hoy ny depiote Seth Rajoelina... ♦ Ahiana hihotsaka indray ireo vatobe atahorana eny amin'ny manodidina ny vohitr'i Manjakamiadana ao Antananarivo Renivohitra. Fokotany enina no voakasik'izany...
♦ Mijoro ankehitriny ny Fondation Céline et Didier Ratsiraka. Hetsika mifanandrify amin'ny tsingerin-taona nahaterahan'ity Filoham-pirenena teo aloha ity, androany 4 novambra... ♦ Mitaraina ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara amin'ny fantiantok'ireo orinasa malagasy mpamokatra savony. Miombon-kevitra amin'ny fampakarana ho 20% ny haba alaina amin'ny fanafarana bolabolan-tsavony izy ireo, araka ny voalazan'ny volavolan-dalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2021...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco