♦ Niezaka nanohana ilay tetik'asa "téléphérique" omaly ny filoham-pirenena, tamin'ny lahateniny tamin'ny fahatongavany avy any ivelany. Hanafatra entana, entina sambo 20 isa ny fanjakàna hanamaivanana ny fiakaran'ny vidim-piainana... ♦ Niakatra fitsaràna teo anivon'ny PAC eny amin'ny 67 ha omaly ny raharaha mahavoasaringotra ny tale jeneralin'ny CNaPs teo aloha sy olona 7 hafa... ♦ Nahatratra 206 ireo lozam-pifamoivoizana nitranga teto amintsika tao anatin'ny 3 volana. Maherin'ny 100 ny olona namoy ny ainy, raha ny tatitry ny zandarimariam-pirenena...
♦ Ireo tombontsoa azo avy amin'ireo tetik'asa niaraha-nanao sonia tany Frantsa vokatry ny famatsiam-bola azon'i Madagasikara ary ny vokatry ny fanatrehana ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana, tany New York, Etazonia, no nambaran'ny Filohan'ny Repoblika androany, raha nitatitra ny diany tany ivelany izy... ♦ Tokantrano maherin'ny 75000 avy amin'ny distrika 13 eto Madagasikara no misitraka ny vatsin'ankohonana. Mamatsy vola izany, manodidina ny 23,6 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena, ary ny fitondrana malagasy 3,5 tapitrisa dolara...
♦ Pretra roa niharan'ny fanafihana sy fandrobàna tao Mananjary no manaraka fitsaboana aty an-drenivohitra ankehitriny... ♦ Nifarana ny atrik'asa isaky ny renivohi-paritany enina nataon'ny Ceni, andrasana amin'ity herinandro ity ny fandravonana izany... ♦ Efa mijery ireo lamina mba hitadiavam-bahaolana amin'ny fiakaran'ny vidim-panafody ny holafitry ny farmasiana sy ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka...
♦ Tsy nisy afatsy kandidà tokana no nanatitra ny antotantaratasy hirotsaka ho fidiana ho filohan'ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, izay nikatona omaly ny fe-potoana farany nahafahana nametraka izany... ♦ 12 irao maty ary 15 naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany Anteza Ambohimahasoa ny faran'ny herinandro teo... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana manomboka anio ny sendikan'ny SECES sampana Fianarantsoa, eo koa ny hetsiky ny SPATUF...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco