♦ Orinasa 66 tamin'ireo 300 no nahazo fankatoavana avy amin'ny Ministera mpiahy fa afaka hanondrana Lavanila eo amin'ny tsena iraisam-pirenena... ♦ dVola hatrany amin'ny 151 000 000 Euro no entina hanatanterahana ilay tetik'asa "Téléphérique" hapetraka ao an-drenivohitra, vita sonia omaly tany Frantsa ny famatsiam-bola... ♦ Andro faharoa amin'ilay hetsika "Salon d'Orientation de l'étudiant et de l'emploi" anio, tanterahina etsy Anosy...

♦ Mpandraharaha 66 tamin'ireo 300 nangataka fahazoan-dalana hanondrana lavanila any ivelany ihany no nahazo fankatoavana tamin'ny minisitera mpiahy azy ireo... ♦ Vita sonia tany Paris ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny fametrahana "ligne téléphérique" ao an-drenivohitra... ♦ Mahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana, toy ny eny Ambohitraina Ilafy Antananarivo Avaradrano sy ny any Betroka...

♦ Mitaky ny handravàna ny Ceni, ka hananganana rafitra vaovao mikarakara ny fifidianana ny antoko Otrikafo. Aty amin'ny firenena afrikàna nozanahan'ny Frantsay ihany no misy Ceni izany hoy izy ireo... ♦ Manaitra ny fitondram-panjakàna ireo fiaraha-monim-pirenena any amin'ny Faritra Sava amin'ny fahapotehan'ny lalam-pihariana Lavanila, misy aretina mpahazo tiy voly ity... ♦ Nitsoaka ary nihazo ny tanànan'i Farafangàna ireo olona an-jatony traboina tamin'ny fanafihan-dahalo nitranga tao Manambotra-Atsimo, tanàna, trano maro, sekoly lasa lavenona... 

♦ Miverina indray ny fanakanan-dalana amin'ny Lalam-pirenena faha-7, ankehitriny. Taxi-brousse 50 nanao "caravane" no nosakan'ny jiolahy tany Ilaka Centre Ambositra, fiara 5 voaroba... ♦ Tafakatra any amin'ny dingana manaraka ny CFFA nisolotena an'i Madagasikara amin'ny fiadiana ny amboaran'ny CAF... ♦ Very olomanga ny tontolon'ny mozika Raggae eto Madagasikara. Nodimandry omaly tatsy La Réunion ilay mpanakanto Sammy Rastafanahy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...