♦ Omaly vao voafehy ny afo, manoloana ny firehetana tany amin'ny valan-javaboaharin'Ankarafantsika, araka ny tatitry ny ministera, toerana roa hafa koa, tratran'ny doro tanety any an-toerana... ♦ Mbola mikatso ny fampianarana any amin'ny Oniversiten'i Toliara, taorian'ilay savorovoro farany teo... ♦ Manomboka ny fanenjehana ireo taxi-moto, ao an-drenivohitra. Moto maro omaly no noraofin'ny Pôlisim-pirenena ary nahiditra valan-tsazy...
♦ Mbola mikatso tanteraka ny fampianarana any amin'ny Oniversiten'i Maninday-Toliara, raha ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo mpianatra avy any an-toerana... ♦ Tsy voafehy amin'ny asa tanamaro ataon'ny fokonolona intsony ankehitriny ny fifehezana ny afo any Ankarafantsika, hoy ny ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Miroso amin'ny fampiharana ny lalàna amin'ny fandraràna ireo taxi-moto ny pôlisim-pirenena...
♦ Tokony ho hita mialohan'ny oktobra ny vola atokana amin'ny famonoam-balala eto Madagasikara hisorohana ny mety ho fahasarotan'ny asa... ♦ Tontosa ny sabotsy teo ny famoriam-bahoaka nataon'ny RMDM tao Antsirabe an-tampon-tanàna, nanambaràna ireo fehin-kevitra tapaka nandritra ny fihaonambe natao teo Antananarivo farany teo... ♦ vonona hiaino ny olan'ireo mpiara-miasa, momba ny fitantanana ny ministera, ny ministry ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak'asa...
♦ Nahazo tombim-pitsaboana lehibe ny any Mahajanga. Notsofina rano sy notokanana ny faran'ny herinandro teo izany foto-drafitrasa izany... ♦ Manaitra ny mpisehatra pôlitika tsy ankanavaka mba hibanjina amin'ny fanatsaràna ny fifidianana ny filohan'ny CFM Maka Alphonse... ♦ Baolina kitra, nirava ady sahala aotra noho aotra teny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina, omaly, ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Ekipa Zambianina. Lalao mandroso amin'ny amboaran'ny CAF...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco