♦ Nampikatso ny asa aman-draharaha rehetra amin'ny fadin-tseranana manerana ny nosy manomboka androany, ireo mpiasa ao amin'ny SEMPIDOU. Tsy nasahakana ny fitokonan'izy ireo ny fandrarana nataon'ny Préfet-n'ny Polisin'Antananarivo... ♦ Nisavorovoro tanteraka ireo mpikambana ao amin'ilay vaomiera manokana mikarakara ny fifidianana, izay ho solontenan'ny fiaraha-monim-pirenena eo anivon'ny CENI. Nisokatra nanomboka androany ny fahafahan'ireo kandidà manatitra ny firsotsahan-ko fidiany eny Alarobia...
♦ Nitrangàna loza-pifamoivoizana nahatsiravana indray tao Marovoay Gara, any amin'ny RN44 mampitohy an'i Moramanga sy Ambatondrazaka, 08 no maty ary 12 ireo naratra... ♦ Hisitraka fandaharan'asa Taniketsa indostrialy tanterahan'ny ministeran'ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifàna ny any amin'ny faritra Anosy. Midina ifotony any an-toerana ny ministra Edgard Razafindravahy... ♦ Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra mahefa ny mpiaro ny tontolo iainana mba hiaro ny hazo gasy, hisorohana ny fitaran'ny tsy fahampian-drano...
♦ Mitokona nanomboka omaly ny mpampianatra any amin'ny IST Antsiranana. Manohana azy ireo koa ny mpianatra. Tsy nahazoam-baliny mantsy ny fitakiana teo aloha... ♦ Nambara tamin'ny fomba ôfisialy fa voafidy ho filohan'ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara ny kandidà tokana, Rasoloarison Monica... ♦ Vita titra y tsato-bato amin'ny anaran'ny Orinasa ny ankamaroan'ny tanin'ny SIRAMA. Nohamafisin'ny tale jeneraly fa tsy misy intsony ny varotra...
♦ Mitokona ny mpampianatra sy ny mpianatra any amin'ny IST Antsiranana. Tsy nahazoam-baliny ny fitakiana efa natao teo aloha, hoy ny mpampianatra... ♦ Nahazo famatsiam-bola 15 tapitrisa dolara avy amin'ny Antenimieram-pirenena Sinoa ny Antenimieram-pirenena Malagasy. Natao sonia androany, ny fifanaraham-piaraha-miasa momba izany... ♦ Nambara tamin'ny fomba ôfisialy, fa voafidy ho Filohan'ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara ny kandida tokana, tamin'ny fifidianana ny 16 oktobra lasa teo, Rasoloarison Monica...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco