♦ Olona ftio no matin'ny pesta aretin-tratra tany amin'ny kaominina Miandrandra Arivonimamo, araka ny vaovao navoakan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka androany. Efa ampiharina any amin'ny Faritr'Itasy amin'izao ny sakana ara-pahasalamana... ♦ Hanokana vola 2 miliara sy 8 tapitrisa ariary ho an'ireo mpiasa very asa, mpikambana ao amin'ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy. Hisitraka vola 5 arivo sy 7 alina sy iray hetsy izy ireo, ato anatin'ny roa volana, hoy ny CNaPS...

♦ Tontosa androany maraina, tety amin'ny tranon'i Don Bosco ety Ivato, ny fifanaraham-piaraha-miasa hampiroboroboana ny sehatry ny asa tanana. Nanome voninahitra izany, ny Minisitra Ramatoa Ratsiraka Sophie... ♦ Hotanterahana ny 16 ôktôbra ho avy izao ny fifidianana ireo mpikambana vaovao handrafitra ny holafitry ny mpanao gazety, eto Madagasikara...

♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany tolakandro ny Kianja Barea, ao Mahamasina, mialoha ny nanaovana ny lalao baolina kitra nifanandrinan'ny Barea sy ny ekipan'i Bénin... ♦ Mahatratra 1509 ireo mpanao gazety hahazo ilay karatra maha mpanao gazety matihanina, izay hampiasaina amin'ny fifidianana ny ho mpikambana vaovao handrafitra ny holafitry ny mpanao gazety...

♦ Manao antso avo amin'ny fitondram-panjakàna sy ny FMF, ny mpilalao fahiny tao amin'ny ekipam-pirenena malagasy mba hifanaratsaina, tsy ahararaka ny dingana efa vita nandritra ny CAN 2019... ♦ Hanafatra vaksiny Johnson and Johnson 8 000 000 fatra ny fanjakàna malagasy ho fampiharana ny drafitra nasiônaly fanapariahana ny vaksiny, hiadiana amin'ny Covid-19... ♦ Mila manova paik'ady amin'ny fitakiana ny nosy Malagasy manodidina isika Malagasy hoy ny Antoko Otrikafo...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...