♦ Mangataka fihaonana amin'ny Filoham-pirenena ireo antoko pôlitika manohy ny hetsika fitakiana ireo "Iles éparses". Nilaza ny hanitatra ny hetsika izy ireo, raha nanao fanmbarana teny Andravoahangy Ambony, androany... ♦ Filaharam-be vao maraina androany, no hita tamin'ny fanombohan'ny fanaovam-bakisiny andiany faharoa teny amin'ny HJRA Ampefiloha. Naneho ny tsy fahafaliany, noho ny fahadisoam-potoana, ireo olona hatao vakisiny tonga vao maraina...

♦ Hitondra vahaolana amin'ny olan'ny fitantanana ny karaman'ny mpiasam-panjakàna sy ny fisotroan-dronono ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola vaovao... ♦ Fisoratana anarana any amin'ny sekolim-panjakàna : Ny fivorian'ny ray aman-drenin'ny mpianatra sy ny FEFI no mamaritra ny fandraisana anjaran'ireo mpianatra... ♦ Hankalaza ny faha 30taona nijoroany amin'ny taona ho avy ny FAFIALA, mifototra amin'ny fampandrosoana lovain-jafy eny amin'ny tontolo ambanivohitra...

♦ Miakatra eto an-drenivohitra mitaraina amin'ny manam-pahefana mahefa ny fianankavian'ilay reni-pianankavaina maty, novonoina tamin'ny fomba feno habibiana, tao Bekomafa-vondrozo, iray volana lasa izay... ♦ Niatrika fanadihadiana lalina teny amin'ny fonja nihazonana azy eny Antanimora Ramatoa Voahangy Rafanoharana... ♦ Nanomboka omaly ary hitohy anio ny famindram-pahefana eo anivon'ireo ministera taorian'ny fanovana ireo mpikamban'ny governemanta...

♦ Mbola miaina anaty fitaintainana sy alahelo ny fianakavian'ilay renim-pianakaviana maty nofiraina antsy, tao Bekomafa Vondrozo, iray volana aty aoriana... ♦ Nanomboka androany ny famindram-pahefana eo amin'ireo minisitra teo aloha sy ny minisitra vaovao. Hitondra ny heviny eto, ny Solombavam-bahoaka IRD, izay naniry ny hahamaro isa ireo Solombavam-bahoaka ao anatin'ny Governemanta...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...