♦ Simba nho ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny 44%-ny ala eto Madagasikara tao anatin'ny 60 taona. Misy ny tetik'asa "Biodev 2030" hampiarina manoloana izany... ♦ Miantso ny fanjakàna sy ny mpampiasa tsy hanao tsinotsinona ny fitakiana sendikaly ny SSM, tsy mety hoy izy ireo ny fiheverana fa manao politika ny sendika... ♦ Hampitsahatra ny fampianarana amin'ny sekolim-panjakàna rehetra any amin'ny Faritra Fitovinany ireo mpampianatra Fram, noho ny fandrirarirana nataon'ny DREN...
♦ 12 kilao isan-taona ihany ny volamena nampahafantarina ara-dalana ny fanjakana, nivoaka tany Vatovavy. Hofehezina sy hampanarahan-dalana, noho izany, ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany eto amintsika, ka antony nametrahana ny Birao fandraharahana ny harena an-kibon'ny tany na ny BAM, tany Mananjary androany... ♦ Tato anatin'ny 60 taona izao dia ny 44 isan-jaton'ny ala no simba noho ny fitrandrahana tsy ara-dalana, ka nisy androany ny fivoriana niarahan'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny WWF, niresahana ny tetik'asa Biodev 2030...
♦ Afaka mamoaka vinavina momba ny ho fitomboan'ny isan'ny mponina eto Madagasikara hatramin'ny taona 2050 ny INSTAT noho ny fanohanana avy amin'ny Amerikana. Heverina ho tafakatra 60.000.000 izany ny taona 2043... ♦ Niverina niasa nanomboka androany, ny Koperativa KOMPIAMA, tao aorian'ny fampiatoana folo andro. Koperativa izay mampitohy an'Antananarivo sy Fianarantsoa...
♦ Resy fanintelony ny Barean'i Madagasikara, amin'ny fifanitsanana handraisana anjara amin'ny Mondial 2022. Lavon'ny RD Congo tamin'ny isa 2 no ho 0 ny Ekipam-pirenena malagasy androany tolakandro... ♦ Mitaky ny hampitsaharana ny fampiasana fahatany ny volan'ny CNaPS, ny Randrana Sendikaly. Fitakiana momba izany androany, no nanamarihan'izy ireo ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny asa mendrika, isaky ny 7 oktobra...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco