♦ Mpandraharaha 66 tamin'ireo 300 nangataka fahazoan-dalana hanondrana lavanila any ivelany ihany no nahazo fankatoavana tamin'ny minisitera mpiahy azy ireo... ♦ Vita sonia tany Paris ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny fametrahana "ligne téléphérique" ao an-drenivohitra... ♦ Mahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana, toy ny eny Ambohitraina Ilafy Antananarivo Avaradrano sy ny any Betroka...
♦ Mitaky ny handravàna ny Ceni, ka hananganana rafitra vaovao mikarakara ny fifidianana ny antoko Otrikafo. Aty amin'ny firenena afrikàna nozanahan'ny Frantsay ihany no misy Ceni izany hoy izy ireo... ♦ Manaitra ny fitondram-panjakàna ireo fiaraha-monim-pirenena any amin'ny Faritra Sava amin'ny fahapotehan'ny lalam-pihariana Lavanila, misy aretina mpahazo tiy voly ity... ♦ Nitsoaka ary nihazo ny tanànan'i Farafangàna ireo olona an-jatony traboina tamin'ny fanafihan-dahalo nitranga tao Manambotra-Atsimo, tanàna, trano maro, sekoly lasa lavenona...
♦ Miverina indray ny fanakanan-dalana amin'ny Lalam-pirenena faha-7, ankehitriny. Taxi-brousse 50 nanao "caravane" no nosakan'ny jiolahy tany Ilaka Centre Ambositra, fiara 5 voaroba... ♦ Tafakatra any amin'ny dingana manaraka ny CFFA nisolotena an'i Madagasikara amin'ny fiadiana ny amboaran'ny CAF... ♦ Very olomanga ny tontolon'ny mozika Raggae eto Madagasikara. Nodimandry omaly tatsy La Réunion ilay mpanakanto Sammy Rastafanahy...
♦ Tinapaka nandritra ny COPRIES fa ny 04 oktobra izao ny daty fidirana ho an'ny Oniversite... ♦ Tsy mbola hiroso amin'ny fitakiana hetra amin'ireo sekoly tsy miankina ny fanjakàna, hoy ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola... ♦ Hikarakara hetsika fifanohanana sy fifanampiana eny amin'ny Esca Antanimena ny fikambanana Mada-Triso amin'ny sabotsy heriny anio...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco