♦ Namoaka fampitam-baovao ôfisialy ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fihaonana tamin'ny Filoham-pirenena, teny Iavoloha omaly... ♦ Mila hatsaraina ny paik'ady hanapariahana ireo vakisiny fanefitry ny Covid-19, tonga eto amintsika, hoy ny Randrana Sendikaly. Nanoso-kevitra ny hanitarana ny toerana hanaovam-bakisiny izy ireo, mba hisitrahan'ny mpiasa any amin'ny orinasa izany koa...
♦ Nihaona mivantana teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, androany, ny Filoham-pirenena sy ny Kardinaly Désiré Tsarahazana. Fihaonana, manoloana ny raharaham-pirenena tato ho ato... ♦ Hiaraka amin'ny an'ny fanjakana ny taom-pidiran'ny sekoly katôlika, amin'ny taom-pianarana ho avy io. Ny voalohan'ny volana septambra izao ny fidiran'ny sekoly katôlika manerana ny Nosy...
♦ Niakatra ny taham-pahafahana fanadinam-panjakàna BEPC ho an'ny farim-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra tamin'ity taona ity raha oharina tamin'ny taon-dasa... ♦ Mitaky ny hanovàna ny lalàna mifehy ny fifidianana ny Antoko Politika Madio na ny APM... ♦ Handefa taratasy misokatra ho an'ny filohan'ny repoblika, hangata-panazavana amin'ny fitakian'ny fanjakàna ireo Nosy Malagasy ny Antoko Otrikafo...
♦ Asa miandry ny mpikambana vaovao ao amin'ny birao maharitry ny vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny zon'olombelona ny fandraisana an-tanana ny fitarainana voaray, mahatratra 500... ♦ Miisa 8 ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina coronavirus araka ny tatitra nivoaka omaly ka tao Mahatsiatra-Ambony no maro an'isa... ♦ Nampitaraina ireo izay nampiasa ny lalàna teny amin'ny manodidina an'Antanimena, Behoririka, Ankorondrano ny lamina vaovao nampiharin'ny mpandrindra ny fifamoivoizana, naharitra ora maro ny fitohanana...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco